• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Mahambo : Paradisakely eo anelanelan'i Foulpointe sy Fénérive-Est

29/07/2024 13:49 © Moov

Fahanginana, fahasambarana eo anivon'ny fianakaviana, fakan'aina, fihinanana sakafo tsy mahazatra, ... Izany rehetra izany no tena ilaina rehefa miala sasatra. Marobe ireo mankafy ny faritra Atsinanana mankany Analanjirofo iny. Tsy voatery hijanona eo Toamasina na eo Foulpointe. 'Ndao indray hitsidika toerana mahafinaritra eo alohakelin'i Foulpointe : Mahambo.

Paradisakely tsy lavitra an'i Foulpointe

Matetika dia mivangongo ao Foulpointe avokoa ireo mpiala sasatra. Toerana malaza tokoa izy io ka manintona ny fianakaviana maro te hampilalao ankizy, na ny mpifankatia te hanao volatantely. Rehefa fotoan'ny vakansy lehibe toy izao dia feno avokoa ireo toeram-pandraisam-bahiny, na ireo tsotsotra na ireo farak'izay raitra. Raha tsy tia tabataba sady hankafy ny natiora amim-pilaminana, azo atao tsara ny mihazo toerana iray tsy lavitra an'i Foulpointe : Mahambo. 20 kilometatra mahery kely eo ho eo ny elanelan'ireo toerana roa ireo. Raha 60 kilometatra miala an'i Toamasina i Foulpointe, 80 kilometatra miala io renivohitry ny faritra Atsinana io kosa i Mahambo. Toy ny ho any Fénérive-Est izany.
Toerana fandraisan'ireo mpivahiny sambo mankany Sainte-Marie i Mahambo, saingy efa misy toeram-pandraisam-bahiny maro ihany koa. Malalaka sady tsy dia be olona ny tora-pasika. Azo atao tsara ny milomano, matoritory eo amoron-dranomasina, mandeha sambo sy mitaingina hazofisaka misangy ny onjan-drano (surf).Azo ilalaovan'ny ankizy tsara ny rano, saingy mila fanaraha-maso tsy tapaka.

Toerana milamina sy madio

Tsy hahenoana tabataba firy ao Mahambo, na any anaty tanàna na eny amoron-dranomasina. Mahasarika manokana ireo mpanao vakansy ireo hotely sy bungalow mahatazana tsara ny ranomasina. Tsotsotra ny toerana, saingy mety tsara mihitsy ho an'ireo te hitokana haka aina sy haka saina, hanadinoana ireo rotoroto mamizana eto an-drenivohitra. Koa satria mpamboly sy mpiompy ireo mponina ao Mahambo, misy ireo mpivarotra voankazo sy hani-masaka mandehandeha eny amin'ny sisin'ny torapasika. 1 000 ariary monja dia mahazo voanio (coco), amin'ilay karazany angalana ranony fotsiny. Matsiro ery ireo mofo vita amin'ny hazan-drano, sady natao ho an'ny fahefa-mividy rehetra. Raha sakafo feno indray, trondro no tena atolotr'ireo mpahandro matihanina.Azo atao tsara ny mihinana kisoa ao Mahambo satria sady miompy no mihinana izany henam-biby izany avokoa ireo mponina ao an-toerana.
Ratsy ny lalana mihazo an'i Mahambo, na ny Antananarivo # Toamasina, na ny Toamasina # Mahambo. Tsara kokoa raha fiara avo sady matanjaka no entina. Raha handeha fiara iombonana indray, amporisihana ny fisafidianana kaoperativa manana fiara matanjaka sady tsara kolokolo. Adiny 5 eo ho eo ny anaovana ny lalana miainga eo Toamasina hatrany Mahambo.

Lire la suite

Articles Similaires