• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Zena Paris
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny veromanitra na « citronnelle »

25/07/2024 11:23 © Moov.Mg

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny ravina veromanitra na « citronnelle ». Zavamaniry fanao dite izy io fa azo hanaovana huile essentielle ihany koa. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny veromanitra ?

Ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo amin’ny veromanitra

Maro ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny veromanitra na ny « citronnelle ». Anisan’izany ny :
-Fanatsarana ny fandevonan-kanina ;
-Fampitoniana ny saina sy ny vatana ;
-Fanatsarana ny torimaso ;
-Fampihenana ny aretin’ny tsinay sy ny aretim-bavony ;
-Fiadiana amin’ny tazo sy ny gripa amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ;
-Manampy amin’ny fampihenana vatana ;
-Manampy amin’ny fampidinana ny tahan’ny siramamy anaty rà.
Mba hisitrahana ireo vokatsoa ara-pahasalamana entin’ny veromanitra dia tsara raha atao dite izy io ka sotroina indroa isan’andro mandritra ny herinandro ary mitsahatra kely mandritra ny herinandro ary averina indray. Tandremana kosa tsy tanehana ela loatra. Tsy dia tsara misotro azy io ny bevohoka sy ny mpampinono.

Ireo vokatsoa ho an’ny vatana entin’ny veromanitra

Araka ny voalaza teo aloha dia azo sotroina atao dite, fa azo anaovana huile essentielle ihany koa ny veromanitra. Maro ny vokatsoa azo amin’ny fampiasana izany huile essentielle vita amin’ny veromanitra izany :
-Mampitony ny fanaintainana amin’ny hozatra sy ny vanintaolana ;
-Mampitony ny saina ary manampy amin’ny fahitana tory ;
-Manampy amin’ny fiadiana amin’ny mony ;
-Mampihena ny hidihidy vokatry ny kaikitry ny moka.
Tsotra ny fampiasana ny huile essentielle vita amin’ny veromanitra. Azo ahositra amin’ny hoditra izy io ary afaka atao anaty « diffuseur » ihany koa mba hiparitaka anaty efitrano ny fofony. Ankoatra ireo tombontsoa voalaza teo dia marihana manampy amin’ny fandroahana ny moka ao an-trano ary afaka atao « désodorisant » natoraly ihany koa ity huile essentielle vita amin’ny veromanitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires