• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Guérir Par Les Plantes Africaines
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny aretina « hépatite B »

24/07/2024 13:46 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika no tsy mahafantatra ny aretina « hépatite B » nefa dia tsimokaretina isan’ny mahery sy mora mifindra tokoa izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo mila fantatra mikasika ny aretina « hépatite B ».

Inona tokoa moa izany aretina « hépatite B » ?

Ny « hépatite B » dia tsimokaretina azo avy amin’ny otrikaretina iray antsoina hoe VHB na Virus de l’Hépatite B. Ny aty moa no tena potehan’ity otrikaretina ity. Marihana nefa fa ny aty no taova isan’ny lehibe indrindra ary mitana andraikitra maro amin’ny fiasan’ny vatantsika olombelona.
Miankina betsaka amin’ny toe-batan’ilay marary ny fivoaran’ity aretina ity. Ireo izay tsy misy hery fiarovana mihintsy dia mety ho resin’ny « hépatite B » anatin’ny fotoana vitsy, mety hoe herinandro na mahery kely.
Ireo marary manana hery fiarovana matanjaka dia mety mahavita manaisotra ilay tsimokaretina samirery ny vatany. Ho an’ireo izay misy hery fiarovana fa tsy ampy hiadiana amin’ny VHB dia mety hiomby tsikelikely ilay tsimokaretina ka mitarika homamiadan’ny aty na « cirrohose » raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana.

Ahoana ny fomba ifindran’ny « hépatite B » ?

Ny VHB izay mitondra ny tsimokaretina « hépatite B » dia mifindra amin'ny alalan'ny:
-Rora ;
-Rà ;
-Firaisana ara-nofo tsy voaaro ;
-Reny bevohoka mamindra amin’ny zaza ao an-kibo.

Ireo soritr’aretina ahafantarana ny « hépatite B »

Maro ireo olona tratry ny « hépatite B » no tsy misy soritr’aretina mihintsy na misy fa malefaka ka tsy mahataitra azy ireo. Ho an’ireo marary izay ahitana fambara ivelany dia ireto avy no mety miseho :
-Manavy ;
-Rera-dava ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Matroka ny lokon’ny pipy ;
-Malain-komana ;
-Manaintaina ny vanin-taolana ;
-Miloko mavo ny hoditra sy/na maso.

Ahoana ny fitsaboana izany ?

Azo tsaboina tsara ny « hépatite B » raha voaray an-tanana ara-potoana. Noho izany, raha vantany vao mahatsikaritra ireo soritr’aretina ireo dia mila manantona mpitsabo avy hatrany fa tsy mangataka andro. Ny mpitsabo no manao ny fizahana sy mampanao ireo fitiliana ahitana raha mitondra izany tsimokaretina izany. Raha ny eto Madagasikara manokana dia ao amin’ny hopitaly ao Befelatanana no misy mpitsabo manam-pahaizana mitsabo ny « hépatite B ».

Inona ny fisorohana azo atao ?

Marihana moa fa mbola lafo vidy tokoa ny fitsaboana ity aretina ity eto amintsika. Mba hiadina amin’ity tsimokaretina ity dia ny fisorohana no tsara indrindra. Ny voalohany amin’izany dia ny fanaovana ny vaksiny fanefitra ny VHB. Ankoatra izay dia hajaina tsara ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pitondran-tena mba tsy hifampikasohana amin’ny rà, rora na tsiranoka avy amin’ny taovam-pananahana mitondra ny otrikaretina.

Lire la suite

Articles Similaires