• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Guides & Astuces
Image
DYI

Torohevitra hanesorana peratra tsy mety miala

23/07/2024 15:15 © Moov.Mg

Tranga matetika miseho ny hoe tsy mety miala ny peratra satria nivonto be ilay rantsana nisy azy. Satria moa mety manaintaina izany dia lasa tapahana mihintsy ilay peratra. Ity ary misy torohevitra afaka hanalana mora ny peratra tsy mety miala sy tsy ilaina ny manapaka izany.

Ny antony mahatonga ny peratra tsy mety miala

Alohan’ny hanoroana ny fomba hanalana ny peratra tsy mety miala dia tsara raha fantarina ny antony mety mahatonga izany. Rehefa mihangeza na rehefa bevohoka ny olona iray dia mitombo manarak’izany ny haben’ny tanany.
Ho an’ireo izay manao peratra, tsy manala izany mihintsy, dia mety tsy mahatsikaritra hoe mihatery ilay peratra. Rehefa tena tery nefa izany dia lasa manakana ny rà amin’ny rantsan-tanana tsy hikoriana tsara intsony. Lasa mivonto io rantsan-tanana io ka izay no mahatonga ilay peratra ho tsy mety ho afaka rehefa sintomina.
Mba hisorohana izany toe-javatra izany dia tsara raha esorina ny peratra rehefa alohan’ny hatory. Izany dia mba ahitana hoe mihatery izy io rehefa mamerina mametaka azy. Tsy tsara anaovana intsony moa ity farany rehefa hita fa lasa tery ka hananosarotra ny hanala azy.

Ny fomba atao hanalana ny peratra lasa tery sy tsy mety miala

Maka kofehy, ilay matevina fa tsy ilay manify loatra mora tapaka, ary tapahana atao somary lava.
Atsofoka ambanin’ilay peratra mitodika any amin’ny hoho ny lohan’ilay kofehy.
Tazomina ilay lohan’ny kofehy mitodika any amin’ny hoho ary atao mihodikodina eo amin’ny rantsan-tanana akaikin’ny peratra ilay kofehy.
Atao mihodikodina manery ilay tanana ambanin’ny peratra miakatra mankany amin’ny lohan’ny rantsan-tanana io kofehy io mba hihena ny haben’ity farany.
Rehefa hita fa lasa nihena tsara ny haben’ilay rantsan-tanana dia sintominina mora amin’izay ilay peratra hiala.

Lire la suite

Articles Similaires