Fomba natoraly fikarakarana volo sy hoditra malaza nefa tsy tena mandaitra
Be manaraka tokoa amin’izao fotoana izao ny torohevitra natoraly momba ny fikarakarana ny hoditra sy ny volo. Misy ireo lova nentin-drazana, ary misy ihany koa ireo niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Tsy hoe rehefa malaza anefa ny torohevitra natoraly iray dia tsy maintsy mahomby. Indraindray mety tsy hitondra vokatra mihitsy izany, na vao mainka hiteraka « irritation » amin’ny hoditra sy ny volo. Ireto àry misy ohatra amin’ire fikafika natoraly malaza izay tsy voaporofo ara-tsiantifika fa tena mandaitra.
Ny ranom-boasarimakirana hanalana tasy amin’ny tarehy
Maro no mino fa afaka manamaivana tasy mainty, manala mony ary mampangirana ny hoditra ny ranom-boasarimakirana. Marina fa misy vitamina C izy io, saingy tsy tsara ny manosotra azy mivantana amin’ny hoditra.
Ny antony dia satria :
-Tsy maharitra ny vitamina C rehefa tratran’ny hazavana sy ny rivotra.
-Masiaka amin’ny hoditra ny asidra ao aminy.
-Mety hampitombo ny fahatsapan’ny hoditra ny taratry ny masoandro izy io ka hiteraka tasy vaovao.
Ny « dentifrice » hanesorana ny mony
Mbola maro no mampiasa « dentifrice » rehefa misy mony miseho tampoka, indrindra eo amin’ny tarehy. Ny tena zava-misy nefa dia :
-Tsy natao ho an’ny hoditra ny « dentifrice ».
-Mety misy akora mampisy « irritation » ny hoditra ao anatiny.
-Mety hampisy faritra mena na hanamaina ny hoditra.
Mety ho maina vetivety ny mony nasiana « dentifrice » saingy tsy voatsabo ny tena antony mahatonga azy ary mety vao mainka hampirongatra azy ireo indray.
Ny menaka voanio na diloilo hitsaboana ny olana rehetra amin’ny volo
Malaza be ny menaka voanio na diloilo coco amin’ny fikarakarana volo. Marina fa afaka manampy amin’ny fiarovana ny volo izy, saingy tsy voatery mety amin’ny karazana volo rehetra.
Ny fetrany:
-Mety hampavesatra ny volo manify.
-Misy olona mahatsapa fa lasa henjana na tsy mangirana intsony ny volony.
-Tsy voaporofo fa mampaniry volo haingana kokoa izy io.
Afaka manampy amin’ny famelomana volo ny menaka voanio, saingy tsy fanafody mahagaga hiadiana amin’ny fihintsanan’ny volo na fampaniriana haingana ny volo izy io.
Ny fanapahana volo matetika mba hampitombo azy haingana
Isan’ireo finoana malaza indrindra mikasika ny fomba fikarakarana volo izy io. Ny marina nefa dia any amin’ny fakany ny volo no mitombo. Izany hoe tsy misy fiantraikany amin’ny hafainganam-pitomboan’ny volo ny fanapahana ny tendrony. Io fikarakarana io dia manampy fotsiny amin’ny fanesorana ireo faritra vakivaky sy amin’ny fitazonana endrika salama kokoa ny volo.
Ny tongolo gasy hampaniry volo
Malaza amin’ny tambajotra sosialy ny fampiasana tongolo gasy amin’ny hodi-doha mba hampaniriana haingana ny volo. Mbola vitsy nefa ny porofo ara-tsiantifika manamarina ny fahombiazan’izany ary mbola voafetra ny fanadihadiana natao momba izany. Mety hiteraka « irritation » na mavaivay amin’ny hoditra ny tongolo gasy manta.
Inona no mahatonga ireo fikafika natoraly ireo mbola malaza ?
Maro ny antony mahatonga ireo fikarakarana volo sy hoditra ireo mbola malaza na dia tsy tena mandaitra akory aza :
-Mora atao sy tsy lafo ;
-Akora efa hita ao an-dakozia no ampiasaina ;
-Mahasarika ny fijoroana vavolombelon’ny olona efa nanandrana azy ;
-Miely haingana amin’ny tambajotra sosialy ny vaovao sy torohevitra.
Tsy porofo ara-tsiantifika anefa ny traikefa manokan’ny olona iray. Mety ho noho ny antony hafa na fifandrifin-javatra ihany koa no nahitana fiovana.





