• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Petite Vivi
Image
Reny&Zaza

Zaza tsy mety hisotro solon-dronono, ahoana no atao ?

22/07/2024 13:38 © Moov.Mg

Isan’ny toe-javatra manahirana ny reny tera-bao mila miverina miasa ny tsy fetezan’ny zaza mihinana solon-dronono. Rehefa zatra nonon-dreny tokoa mantsy ny zazakely dia sarotra matetika ny manazatra azy hihinana solon-dronono. Ireto ary misy torohevitra hizarana ny zaza hihinana solon-dronono.

Zarina tsikelikely ny zaza hiova fampinonoana « mixte »

Ny fampinonoana « mixte » dia ny fampiarahana ny fampinonoan’ny reny amin’ny fanomezana solon-dronono ny zaza. Izany hoe, rehefa afaka mampinono ny reny dia mampinono ny zaza fa rehefa tsy afaka, ohatra hoe rehefa miasa na tsy eo anilan’ny zaza, dia omena solon-dronono ity farany. Raha mila miverina miasa ny reny na misy antony mahatonga azy tsy afaka hampinono ny zaza matetika dia mila zarina tsikelikely hiova fampinonoana « mixte » ilay zaza :
Atomboka 4 herinandro mialoha ny handehanana miasa farafahakeliny izany fanazarana ny zaza izany. Mandritra io fotoana hanazarana ny zaza io dia mampinonono ny reny alohan’ny ora tokony handehananana. Amin’ny herinandro voalohany dia omena solon-dronono indray mandeha ny zaza anatin’ny tontolo andro. Ampitomboina ho indroa izany amin’ny herinandro faharoa ary ampitomboina toy izay hatrany mandrapahatonga ny herinandro fahaefatra sy ny fidirana miasa. Izany hoe, tokony efa misotro solon-dronono in-efatra ny zaza anatin’ny 1 andro rehefa miasa ny reniny.

Ireo fomba atao hitiavan’ny zaza solon-dronono

Marihana fa tsy mitovy ny fomba finonoan’ny zaza nono sy ny fitsetsafana « biberon ». Samy hafa ihany koa ny tsiron’ny rononon-dreny sy ny solon-dronono. Noho izany, raha efa zatra ninono tamin’ny reniny ilay zaza dia mety tsy hety hanaiky hisotro solon-dronono. Mba hizarana azy hitia solon-dronono ary dia tsara raha :
-Olon-kafa no manome solon-dronono ny zaza fa tsy ny reniny ;
-Tsy atao hitan’ny zaza ny reniny rehefa omena solon-dronono izy ;
-Efintrano samihafa amin’ny mahazatra azy rehefa mampinono ny reny no hanomezana solon-dronono azy ;
-Andramana mihetsiketsika kely, toy ny hoe mandrotsirotsy, rehefa manome solon-dronono ny zaza satria mampitony azy izany. Tandremana kosa mba tsy hietsiketsika be loatra sao mampandoa azy.
-Rehefa tony tsara ny zaza vao omena solon-dronono satria mety vao maika hampitomany azy raha izy sorena iny no terena hisotro izany ;
-Tsy andrasana efa noana be ny zaza vao omena solon-dronono ;
-Raha tsy mety mihinana amin’ny « biberon » izy dia tsy terena fa afaka fahanana amin’ny sotrokely na amin’ny kaopy kely izy.

Lire la suite

Articles Similaires