• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mycake
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « crème au beurre » fanao amin’ny mofomamy

05/07/2024 15:23 © Moov.Mg

Maro amintsika no mankafy mofomamy norakofana « crème au beurre ». Tsy be mason-karena, mora atao nefa dia mampatsiro ny mofomamy tokoa izy ity. Ho an’ireo liana amin’ny fanamboarana ity karazana « crème » ity ary dia araho eto ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « crème au beurre »

-Dibera margarine 500 g ;
-Siramamy 250 g ;
-Rano mahamando ny siramamy ;
-Tapotsin’atody 4.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « crème au beurre »

Arotsaka anaty vilany ny siramamy sy ny rano amin’ny fatra izay mahalena azy fotsiny. Ataingina ambony afo hatramin’ny hafanana 120°C avy eo esorina. Raha tsy manana fitaovana hitsapana izany hafanana izany (thermomètre de cuisson) dia afaka mampiasa sotrorovitra.
Atsofoka kely anatin’ny vilany ny lohan’ity farany avy eo esorina. Raha lasa toy ny « fil » kely ny siramamy miraraka amin’ny lohan’ny sotrorovitra dia vita izay.
Kapohana amin’ny « fouet » na amin’ny « batteuse » ao anaty « saladier » na koveta kely ny tapotsin’atody. Tsy mijanona raha tsy mitombo sy tsy mety miraraka intsony ny atody, izany lasa « en neige ». Avy eo araraka tsikelikely ao ny siramamy nokarakaraina teo.
Kapohina foana mandrapangatsiaka ny fangaro. Raha mampiasa « batteuse » dia atao amin’ny hafainganana ambany indrindra. Io fangaro io no atao hoe « meringue italienne ».
Tetehina ny dibera efa navoaka ora 1 avy ao anaty vata fampangatsiahana. Tokony ho malemy tsara izy io. Alefa tsikelikely anatin’ny « meringue » ireo dibera voatetika ary kapohana miaraka indray. Azo avela « nature » nefa koa afaka asiana ny hanitra izay hitiavana azy. Vita ny « crème au beurre » rehefa hita fa mifangaro mitambatra tsara ny dibera sy ny « meringue ».



Lire la suite

Articles Similaires