• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tetikasa BIODEV2030 II : Mampivady ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny fampandrosoana eny ifotony

04/07/2024 16:43 © Moov.Mg

Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa BIODEV2030, izay natomboka tamin’ny fomba ôfisialy androany, teny Alarobia. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Fifanarahan’i Kunming-Montréal, izay nankatoavina tamin’ny taona 2022 ity tetikasa ity.

Tontolo iainana sy fihariana lovainjafy

Mandalo krizy ara-tontolo iainana karazany telo lehibe izao tontolo izao, dia ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahalotoana ary ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina. Manoloana izany indrindra dia hifantoka amin'ny fampifandraisana ny fikajiana ny zavaboahary sy ny fampandrosoana lovainjafy ny tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa. Tena ilaina ny fananana tetikasa mampivady ny fiarovana ny karazanjavamananaina amin'ny fandrosoana eny ifotony, izany hoe : ny fampivadiana ny tontolo iainana amin'ny lafiny ara-pihariana sy ara-piarahamonina, hoy ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainnjafy, Rasamoelina Moïse. Ity ministera ity rahateo no isan’ny manatanteraka ny tetikasa, miaraka amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana, WWF Madagasikara. Ny Tahirim-bola Frantsay momba ny Fampandrosoana (AFD) kosa no manohana ara-bola.

Miompana amin’ny jono makamba

Ny momba ny jono makamba no tena iompanan’ny tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa. Kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara ny jono makamba, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. 3 500 taonina ny makamba nojonoina teto amintsika tamin’ny taona 2023, 2800 taonina tamin’izany no naondrana tany ivelany. Nahatratra 16 miliara ariary ny hetra nampidirin’ny jono makamba, nandritra izany. Fa mialoha izay maha-zava-dehibe ny makamba ho an’ny toekarena izay, dia harena voajahanary izy, ka mendrika hojerena manokana ny tsy hahalany tamingana azy, hoy hatrany ny minisitra. Nampahatsiahiviny fa nisy fotoana, efa nihena ny vokatra makamba teto amintsika, ka voatery naato ny jono, mba ho famerenana izany tamin’ny fomba natoraly (reconstitution naturelle de stock). Zava-dehibe ho an’ity sehatra ity, noho izany, ny tetikasa BIODEV2030, izay hanampy amin’ny fisorohana ny fahalanian-tamingan’ny makamba.

Samy voakasiky ny tetikasa avokoa, na ny jono madinika na ny jono vaventy. 10 tapitrisa euro ny kitapom-bola hamatsiana’ny AFD ny BIODEV2030 andiany faharoa, ka firenena 16 no misitraka izany, ao anatiny i Madagasikara. Haharitra 2 taona, izany hoe : hatramin’ny volana jona 2026, ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo