• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unesco
Image
Vaovao

Fampivelarana ny IA : Namoaka tantara an-tsary amin’ny teny malagasy ny UNESCO

05/08/2024 00:00 © Moov.Mg

Nadikan’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny fanabeazana, ny siansa sy ny kolontsaina (UNESCO) amin’ny teny malagasy, ny tantara an-tsary miresaka momba ny Ilon-tsaina Artifisialy (Intelligence Artificielle – IA) izay natontany, mba hampahafantarana bebe kokoa ny Malagasy ny momba ny tontolo niomerika.

Tombontsoa sy fanamby

Tamin’ny teny anglisy no niandohan’ity boky ity, « Inside AI : An Algorithmic Adventure » no lohateniny. « Ilon-tsaina Artifisialy : anjoria anabakabakin'ny algoritma » kosa no lohateniny amin’ny teny malagasy. Natao ho an’ny besinimaro ity boky ity, ka isan’ny tanjon'ny UNESCO amin’ny famoahana azy ny hampiasana ny IA ao anatin'ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena sy ny zon'olombelona. Tafiditra ao anatin’izany ny fitovian-jo amin'ny lafiny rehetra, toy ny fanabeazana, ny tsiambaratelom-piainana, ny fahazoam-baovao, ary ny fahalalahana maneho hevitra. Araka izany, manampy amin’ny famantarana ireo tombontsoa sitrahina sy ireo fanamby atrehina manoloana ny IA ity tantara an-tsary ity. Mikendry ny hanamorana ny fahatakaran'ny rehetra, na ny kely na ny lehibe, ireo lohahevi-dehibe sasantsasany mikasika ny IA ihany koa, no sady heverina fa afaka manampy ny tsirairay hahalala sy hiaro ny zony fototra amin'izao vaninandron'ny niomerika izao.

Fampandrosoana lovainjafy

Tsy azo ihodivirana tokoa mantsy ny tontolo niomerika ankehitriny. Araka ny antontan’isan’ny UNESCO anefa dia misy olona, izay ankizivavy sy vehivavy ny ankamaroany, ahiana tsy ho afa-misitraka mihitsy ny zava-tsoa entin'ny fivoarana niomerika, indrindra fa amin’ny firenena tatsimo. Ho an'ny kaontinanta Afrikanina, ny 20,2%-n'ny vehivavy monja, sy ny 37,1%n-ny lehilahy, no mba afaka mampiasa aterineto. Nefa ny fidirana amin’ny tontolo niomerika dia anisan’ny fepetra fototra ahafahana mandray anjara amin'ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toe-karena. Eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana MICS2018, ny 5%-n’ny tokantrano monja no manana solosaina ; tokantrano 1 amin’ny 10 no manana aterineto ary latsaky ny 8% ny tahan’ny fananana fahaizana manokana momba ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina. Anisan'ny tanjon'ny UNESCO ny hametraka ny teknôlôjia vaovao ho isan'ny fitaovana enti-manatratra ny fampandrosoana lovainjafy. lzany indrindra no namolavolana ity tantara an-tsary ho an'ny tanora ity, izay miompana amin’ny fiantraikan'ny IA amin'ny olombelona.

Fiantraikan’ny IA

Tantaran’i Ari, Maryam, Shirin ary Joaquin no arahina ao anatin’ny « Ilon-tsaina Artifisialy : anjoria anabakabakin'ny algoritma ». Miatrika fahasarotana amin'ny mbola tsy fahatomombanan'ny IA izy efatra mianadahy, ika nandeha nianjoria tany amin'ny habaka itoeran'ny algoritma antsoina hoe Plethor.l.A. Lalan-tokana no idirana any amin’io toerana io : mamakivaky ny efijery (ecran), mba hahita izany tontolo miafina izany. Eo indrindra ny mpamaky no tarihina hamantatra ny fiantraikan’ny IA amin'ny lafiny sosialy, teknika, tandrohasina, sy ny zon'olombelona. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe : nahoana no mitanila ny IA indraindray amin’ny fanapahan-kevitra mavesa-danja toy ny fandraisana mpiasa ? Nahoana no avahany ny vondron'olona sasantsasany ? Amin'ny fomba ahoana no ahafahantsika misoroka ireo mety ho fanavakavahana, ka iantohana ny fandraisan'ny rehetra anjara sy ny fanajana ny fahasamihafana ? Ny mpamaky no hanampy ny mpilalao hiverina indray ety an-tany, rehefa mifarana ny tantara.

Lire la suite

Articles Similaires