• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Oms Madagascar
Image
Vaovao

Faritra Atsimo : Mpiasan’ny fahasalamana manaraka fiofanana momba ny fitsaboana ny reny sy ny zaza vao teraka

20/06/2024 16:25 © Moov

Hampifanarahana amin’ny fenitry ny Fikambanambe iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS) ny fomba fitsaboana ny reny sy ny zaza vao teraka. Araka izany dia manaraka fiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny faritra Atsimo hanatrarana izany tanjona izany. Miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny OMS amin’ity fiofanana ity.

Tombana sy fanatsarana

Mpitsabo avy amin’ny toeram-pitsaboana miisa 5 any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy no mandray anjara amin’ity fampiofanana ity. Tanjona ny hahafantatra ny tombana momba ny fomba fitsaboana ny reny sy ny zaza any amin’ireo tanàna ireo. Aorian’izany dia tsy maintsy hisy ny fanatsarana hatao amin’ireo lesoka izay hita. Tsara ny manamarika fa anisan’ny toerana iray mbola ahitana maty betsaka eo am-piterahana ity toerana ity, raha ny fanambaran’ny OMS farany.
Ny fanatsarana izany dia ny mba hahazoan’ny maro an’isa fitsaboana mendrika no tanjona lehibe indrindran’ity hetsika ity. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fampitomboana ny zaza vita vakisiny. Ao ihany koa ny fanatsarana ny fomba fitsaboana ny reny sy ny zaza mihitsy. Tsy adino ihany koa ny fanentanana ny vehivavy hanatona mpitsabo rehefa hiteraka sy mandritra ny fitondrana vohoka ary ny fitaizana. Tafiditra ao anatin’ny dingana ho fampihenana ny fahatesan’ny reny sy ny zaza eto amin’ny firenena izany rehetra izany.

Hiadiana amin’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza

Tanjona amin’ity fenitra hapetraky ny OMS ity ny hiadiana amin’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, indrindra ireo eo am-piterahana. Mifototra amin’ny fijerena ny toe-pahasalaman'ny reny teo aloha ity fenitra ity. Ao anatin’izany ny filàna porofo mikasika izany satria saropady ny fitsaboana hatao. Nanamafy ihany koa ny OMS fa ny fikarakarana tsara kalitao dia mitaky ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fomba fitsaboana ara-pahasalamana mahomby sy ireo fomba fitsaboana ara-tsaina na ara-kevitra. Ao ihany koa ny fanamafisana ny fotodrafitr'asa ara-pahasalamana ary ny fananana toe-tsaina tsara an’ireo mpikarakara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo