• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Asa & Fianarana

Ankizy hanala CEPE : mila fanohanan’ny ray aman-dreny

17/06/2024 09:28 © Moov.Mg

Ny CEPE no fanadinana ara-panjakana voalohany hatrehan’ny zanantsika. Amin’ny mbola maha ankizy an’izy ireny dia mila fanohanana feno amintsika ray aman-dreny izy ireo mba hanany fitoniana sy fahatokisan-tena eo am-piatrehana izany fanadinana izany. Inona ary no fanohanana azontsika ray aman-dreny atao mandritra ny andron’ny fanadinana ?

Manomana ny fitafy sy ny fitaovana entina miatrika ny fanadinana

Isan’ny fanohanana voalohany ataon’ny ray aman-dreny ho an’ny zanaka hiatrika CEPE ny fanomanana ny fitafy sy ny fitaovana entina miatrika ny fanadinana. Efa tokony vonona mialoha ny akanjo mafana hanaovana amin’ny andron’ny fanadinana. Mazava ho azy fa tsy voatery hividy vaovao fa safidiana tsara amin’izay efa hananany ao izay mampafana sy mampahazo aina tsara azy. Toy izay ihany koa ny fitaovana. Jerena tsara avokoa mbola azo ampiasaina tsara daholo ve ny fitaovana hananany ao sa misy mila soloina. Tsara raha ampitondraina penina manga roa na telo ny ankizy hanala fanadinana sao sendra maty tampoka ny iray ka hampitebiteby azy mandritra ny fanadinana.

Manatitra sy maka ny mpianatra hiatrika CEPE

Amin’ny maha-mbola kely ny ankizy hanala CEPE dia ilain'izy ireo tokoa ny fanaterana sy ny fakan’ny ray aman-dreniny azy mandritra ny andron’ny fanadinana. Maro amin’izy ireny no matahotra sy feno tebiteby hiatrika izany fanadinana izany. Mitony kokoa ny sainy rehefa aterin’i Dada sy Neny na ny iray amin’izy ireo. Ho an’ireo tsy manana ray aman-dreny intsony dia izay olona akaiky ny fony mitaiza azy no manatitra sy maka azy. Fiarovana azy amin’ny olon-dratsy, toy ny mpangala-jaza, ihany koa moa etsy andaniny ny fanaovana izany.

Ny sakafo ankafiziny no karakaraina amin’io andro io

Fanohanana iray tena ilain’ny ankizy hanala CEPE ihany koa ny fikarakarana ny sakafo tena ankafiziny amin’io andro io. Ho an’ireo ankizy lavi-podiana ka tsy afaka ny hody atoandro dia mila karakaraina aloha izany sakafony izany ary entina eny amin’ny toerana fanalana fanadinana. Atao mba feno tsara ny sakafo omena azy amin’io, asiana lasary sy voankazo kely, raha manana fahafahana dia itondrana ranom-boankazo ihany koa izy. Tandremana kosa nefa mba ho sakafo mora levonina no omena azy. Tsy tsara atao voky be loatra ihany koa ny mpiadina fanadinana sao ho te hatory indray mandritra ny tapak’andro hariva. Mandritra ny fotoana fisakafoanana dia tsara raha tsy anontaniana mikasika ny fanadinana nataony izy sao hanakorontana ny sainy izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo