• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Panda
Image
Madagasikara

Dinam-pokonolona : Fifampitondrana eo amin’ny fiarahamonina

15/06/2024 06:59 © Moov

Fifampitondrana, lalàna apetraky ny fiarahamonina hampisy filaminana sy firindrana eo anivon’ny fiarahamonina ary fandriam-pahalemana ny dina.

Natao ho fiarovana ny tanàna ny Dina

Natao ity rafitra ity mba hampisy fifampitokisana sy fifandraisana eo amin’ny samy Malagasy. Tany amin’ny andro fahagola no nanomboka nisian’ity fomba iray ity. Ankehitriny mbola mitoetra ao anatin’ny fiarahamonina malagasy izany. Raha ny fomba fisehony ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, mbola miasa tanteraka ny dina mba hiadiana amin’ny halatra omby. Raha misy omby iray very ao anatin’ny tanàna iray, adidin’ny mpiaray tanàna, ireo vatan-dehilahy no mandeha manara-dia mandrapahatonga any amin’ilay toerana nahavery ny dia. Anjaran’izy ireo no mamerina ilay omby very satria izay no lalàn’ny dina, izay no atao hoe dinan’ny tsy mivaky.
Matetika dia ireo olona mpiziva, toy ny Betsileo sy Antesaka, dia efa misy dina eo amin’ny roa tonta napetraky ny olobe.

Kolontsaina nentim-paharazana ary nolovaina tamin’ny razambe ny dina. Mbola miasa ary mandrindra fiarahamonina maro indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra izy ity. Ilaina ny fahafantaran’ny fiarahamonina malagasy izany zava-misy izany. Ity farany izay fototra mampisy ny fandriam-pahalemana sy mahatsara ny fifampitondrana fahiny teo amin’ny Malagasy.

Fampiharana ny Dina ankehitriny sy teo aloha

Mifanalavitra tanteraka amin’ny dina hapetraky ny fiarahamonina ankehitriny ny dina nisy teo amin’ny Ntaolo. Ny dina dia ifanarahana fa tsy sazy apetraky ny olon-tokana, raha ny nambaran’ireo mpikaroka momba ny Haiolona malagasy. Misy kosa ireo karazana dina tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana malagasy sy ny zon’ny olombelona. Raha ho an’ny faritra Sakalava manokana, misy ny dina manome alalana ny fitsaram-bahoaka izay lavin’ny firenena mikambana. Ilana fanadihadiana lalina ny fampiharana ny dina eto Magasikara. Antoka iray ahafahana mampandroso ny firenena izy ity ary mahatsara ny fifampitokisana eo amin’ny manampahefana sy ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo