• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana « corossol »

14/06/2024 16:12 © Moov.Mg

Voankazo isan’ny vokatra betsaka eto amintsika ny « corossol ». Azo hoanina amin’izao fa afaka hanaovana ranom-boankazo ihany koa moa izy io. Maro ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo amin’ny fihinanana « corossol » ka santionany amin’izany ireto manaraka ireto.

Manampy amin’ny fisorohana ny diabeta

Mitahiry « antioxydants » amin’ny tahany ambony ny « corossol ». Ireo « antioxydants » ireo dia miaro ireo selan’ny sakaraty izay mamokatra ny « insuline » ka manampy amin’ny fisorohana ny diabeta. Ankoatra izay moa dia manankarena fibra ihany koa ity voankazo ity. Ny fibra dia mandanjalanja ny tahan’ny « glycémie » anaty rà ka manampy ireo olona diabetika amin’ny fandaminana ny tahan’ny siramamy anaty rà.

Mampitombo ny hery fiarovana

Voankazo isan’ny mitahiry vitamina C na « acide ascorbique » ny « corossol ». Ny « acide ascorbique » dia mandray anjara amin’ny fampitomboana sy fanamafisana ny hery fiarovana. Noho izany dia manampy amin’ny fiadiana amin’ny otrikaretina maro, toy ny sery sy gripa, ny fihinanana « corossol » matetika.

Miaro ny fahasalaman’ny maso

Ahitana « antioxydant » iray antsoina hoe « lutéine » ihany koa ao anatin’ny « corossol ». Izy io dia manana anjara lehibe eo amin’ny fitazomana ny fahasalaman’ny maso. Ny fihinanana « corossol » dia miaro amin’ny aretin’ny maso toy ny « cataracte » sy ireo fihenan’ny fiasan’ny maso rehefa miha antitra.

Miaro ny vavony

Ankoatra ny fitahirizany « antioxydants » dia manana fiasa « anti-inflammatoires » ihany koa ny « corossol » ka mampihena ny « acidité gastrique » ao anatin’ny vavony. Noho izany dia miaro ny vavony tsy hanaintaina, manatsara ny fandevonan-kanina ary manampy amin’ny fisorohana ny aretim-bavony ny fizarana mihinana « corossol ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo