• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Porc De L'Aveyron
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « ribs de porc caramélisés »

14/06/2024 13:24 © Moov.Mg

Malaza tokoa tato ho ato ireo karazan-kena nokarakaraina natao mamimamy toy ireo nahandro « laqués » na koa « caramélisés ». Efa maro rahateo ireo mivarotra azy ireny efa vita sy vonona hoanina. Ho an’ireo tsy te hividy lafo sy tia mahandro ary dia atoro eto ny fomba fanaovana « ribs de porc caramélisés » izay isan’ny be mpankafy tokoa.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « ribs de porcs caramélisés »

-« Ribs » 1,5 kg ;
-Siramamy 100 g ;
-Sira sy dipoavatra ;
-« Sauce huître » 8 sotro fihinanana ;
-Tantely 2 sotro fihinanana ;
-Tongolo gasy voakiky 2 sotro fihinanana ;
-Sakamalaho voakiky 2 sotro fihinanana ;
-« Ketchup » 2 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Sasana ary tetehana araka ny habeny hitiavana azy ny « ribs ». Atao anaty « passoire » mba hitsiaka ny rano.
Rehefa nitsia-drano tsara dia atao anaty koveta kely ny « ribs ». Arotsaka ao manarak’izay ny tongolo gasy sy ny sakamalaho voakiky, ny tantely, ny « sauce huître », ny « ketchup », ny sira sy dipoavatra ary ny menaka.
Aroharoana hifangaro tsara ary avela hilona ao mandritra ny adiny 1 fara fahakeliny. Avadibadika mba hiditra tsara anatin’ny hena ny « marinade ».
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Osorana siramamy amin’ny alalan’ny « pinceau » ny « ribs » ambadika sy ambadika. Mba hampiraikitra ny siramamy aminy dia ajoboka kely anaty « marinade » aloha ilay « pinceau » hanosorana azy.
Atao ambonin’ny « plaque de cuisson » ireo « ribs ». Andrahoana anaty lafaoro mandritra ny 45 minitra. Avadibadika matetika mba ho masaka tsara sy mba samy ahazo loko. Arahana maso tsara ny nahandro sao lasa tsy mitovy ny fahamasahany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo