• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Infos Diabète
Image
Reny&Zaza

Diabeta mandritra ny vohoka : ireo tsara fantatra mikasik’izany

14/06/2024 10:05 © Moov.Mg

Tranga iray mety hiseho amin’ny bevohoka ny diabeta mandritra ny vohoka na « diabète gestationnel ». Mila fanaraha-maso akaiky izy io satria mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka. Fa inona tokoa moa ny « diabète gestationnel » ? Ahoana ny fisehony sy ny mety ho fiantraikany ? Inona kosa ny fisorohana izany ?

Inona no atao hoe « diabète gestationnel » na diabeta mandritra ny vohoka ?

Ny « diabète gestationnel » na diabeta mandritra ny vohoka dia karazana diabeta mahakasika manoka ny bevohoka. Rehefa miditra amin’ny telo vola faharoa sy ny telo volana fahatelo ny fitondrana vohoka dia mitombo avy roa na telo heny ny filan’ny vatan’ny bevohoka « insuline ». Izany dia mba hampitombo tsara ny zaza sy hahatomombana tsara ny fitondrana vohoka.
Lasa mamokatra « insuline » betsaka kokoa noho izany ny vatana. Raha toa ka tsy ampy izany famokarana « insuline » izany dia lasa miakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà ka io no mahatonga ny diabeta mandritra ny vohoka.
Marihana moa fa misy karazany roa ny « diabète gestationnel ». Ny voalohany dia ny mahazo ny vehivavy efa manana toe-tena diabetika rehefa nitondra vohoka izy vao nipoitra izany. Ny faharoa kosa dia izay miseho isaky ny mitondra vohoka ihany ka rehefa teraka dia miverina ara-dalàna ny toe-tenan’ilay vehivavy.

Ireo mety ho fiantraikan’ny diabeta mandritra ny vohoka

Araka ny voalaza teo ambony dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ny diabeta mandritra ny vohoka.
Raha eo amin’ny bevoka dia mety :
-Hampiakatra ny tosi-drà sy hahatonga fivontosana ;
-Hampisy « infection urinaire » ;
-Ahatonga fahaterahana tsy tonga volana ;
-Ho afa-jaza ;
-Ho didiana rehefa hiteraka raha ngeza loatra ilay bevohoka na ilay zaza ao an-kibo ;
-Hisy diabeta sokajy faharoa aorian’ny vohoka.
Raha eo amin’ny zaza mety :
-Ngeza be mihoatra ny 4kg ;
-Ambany be ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny ràny (hypoglycémie) rehefa teraka ;
-Harefo ny tratrany ka ho sahirana rehefa miaina ;
-Teraka tsy tonga volana (prématuré) ;
-Ho sampona raha nandritra ny faha 3 volana voalohan’ny vohoka no niseho ny « diabète gestationnel ».

Ireo vehivavy atahorana ho tratry ny diabeta mandritra ny vohoka

Matetika isehoan’ny diabeta mandritra ny vohoka ny vehivavy :
-Manana lanja mihoatra ny tokony ho izy ;
-Taranak’olona diabetika na hoe manana tarazo diabetika ;
-Misy tosi-drà ambony na ambony ny tahan’ny « cholestérol » ;
-Mihoatra ny 30 taona ;
-Efa niteraka zaza mihoatra ny 4 kg na efa nanao « diabète gestationnel » teo aloha.

Ahoana ny fomba fisorohana izany ?

Mba hisorohana ny diabeta mandritra ny vohoka dia mila manao fitiliana diabeta ireo sokajim-behivavy voalaza teo ambony ireo. Ao anatin’ny telo volana voalohan’ny kibo, mandritra ny fisafoana voalohany no tokony atao izany. Averina atao ihany koa amin’ny faha 6 volan’ny vohoka.
Mila manao izany fitiliana izany kosa ny bevohoka rehetra amin’ny faha 6 volan’ny kibo. Ankoatra izay dia mila mikarakara tsara ny fahasalamana aloha ny hiterahana. Izany hoe mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja, manetsiketsika ny vatana, fadiana ny sakafo be siramamy sy be lafarina…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo