• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lr
Image
Vaovao

CENI : Fironam-bokatra androany 3 jona 2024 (maraina)

03/06/2024 07:56 © Moov

Nandritra izay 5 andro taorian'ny fifidianana solombavambahoaka izay dia ireo PV "scannés" no namoahana ny fironam-bokatra. Efa miroso tsikelikely amin'ny fanamarinana sy ny fikirakirana ireo "PV réel" ny CENI, mba hahazoana ireo vokatra vonjimaika.

Antananarivo Atsimondrano (BV 369/624 # 59,13%)

Tsy nisy fiovana firy ny vokatra. Mitarika hatrany ny kandidan'ny vovonana politika Firaisankina, Voahangy Raharimanarivo, amin'ny salan'isa 42,44%. Manaraka azy i Andry Ratsivahinisolo, kandida natolotry ny IRMAR, amin'ny salan'isa 27,83%.

Miarinarivo (BV 171/273 # 62,64%)

Efa mihoatra ny antsasak'ireo PV voaray no vita fanamarinana ho an'i Miarinarivo Itasy. Mitarika amin'ny salan'isa 34,84% i Fetra Rakotondrasoa, kandida natolotry ny IRMAR. Manaraka azy amin'ny salan'isa 27,09% ny kandida mahaleotena Bernard Ravelonjato.

Arivonimamo (BV 103/293 # 26,21%)

Tsy nisy fiovana firy ny fironam-bokatra ho an'Arivonimamo. Mbola mitarika hatrany ny kandidan'ny FIVOI, Antoine Rajerison Andriamampianina. Nahazo ny salan'isa 79,90% ny tenany. Laharana faharoa kosa ny kandidan'ny IMRAR, Andrianiaina Rakotondravoavy, nahazo ny 13,19%-n'ny vato manankery.

Soavinandriana (BV 207/227 # 91,19%)

PV 20 sisa no tsy voamarina ho an'i Soavinandriana, faritra Itasy. Azo antoka fa tsy hisy fiovana firy intsony ny vokatra. Mitarika amin'ny salan'isa 39,61% ny kandida tsy miankina Romeo Christophe Ramanantanana. Laharana faharoa, 37,24%, ny kandidan'ny IRMAR Harizaka Razaiarimalala. Laharana fahatelo, nahazo 23,15%, i Dina Toky Iaritiana, kandida natolotry ny Firaisankina.

Tsiroanomandidy (BV 36/419 # 8,59%)

Mbola tsy nahatratra 10% akory ny PV voamarina ho an'i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Hatreto aloha, mitarika amin'ny salan'isa 51,18% ny kandida mahaleotena Harson Raholijaona. Manaraka azy ny kandidan'ny Firaisankina, Jose Solonirina Ndimbiarisoa, nahazo ny 19,66%-n'ny vato manankery.

Andramasina (BV 176/179 # 98,32%)

Madiva hifarana ny fanamarinana ireo PV voaray ho an'i Andramasina, faritra Analamanga. Mitarika amin'ny salan'isa 52,98% ny kandida tsy miankina Bina Andriamanjato. Laharana faharoa ny kandida natolotry ny vovonana Firaisankina, 21,27%, Noelilalaina Ramalanjaona.

Ambohidratrimo (BV 362/572 # 63,29%)

33,18% no salan'isa azon'ny kandida Firaisankina, Maminiaina Solondraibe Rabenirina. 29,71% ny an'ny kandidan'ny IRMAR, Fenohery Johnny Rakotoarisoa. Manaraka akaiky amin'ny salan'isa 22,70% i Miarintsoa Rasolofotiana, avy amin'ny FIVOI.

Antsalova (BV 16/78 # 20,51%)

Laharana voalohany ny kandida mahaleotena Andrianasolo Joseph, nahazo ny salan'isa 35,40%. Manaraha azy ny kandidan'ny IRMAR, Jaims Lemann Fidindrainy, 24,71%. Manana ny sakan'isa 17,29% kosa i Andrianony Victorien, tsy miankina.

Ankazobe (BV74/191 # 38,74%)

Mbola ny kandidan'ny FIVOI, Harijao Percy Razafimandimby, hatrany no mitarika. Manana salan'isa 60,13% ny tenany hatreto. Mitazona ny laharana faharoa ny kandidan'ny IRMAR, Eddie Ramasiherison, nahazo 22,16%, ary laharana fahatelo ny kandidan'ny Firaisankina, Mamy Tiana Ravelonanosy, nahazo 12,25%-n'ny vato manankery.

Maevatanàna (BV41/238 # 17,23%)

Mbola vitsivitsy ihany ny PV voamarin'ny Ceni, ho an'i Maevatanana, faritra Betsiboka. Hatreto dia mifanakaiky ny isam-bato ho an'ireo roa voalohany : Jeannine Gabrielle Mbade (IRMAR) nahazo 35,14% sy Georgette Rasoarimalala (Indépendant) nahazo 32,17%.

Antsohihy (BV 12/232 # 5,17%)

Ny kandida tsy miankina Noriat Richard Rajaonarison no mitarika, 71,64%. Laharana faharoa ny kandidan'ny IRMAR, Todimanana Befeno, nahazo 16,87%. 5,54% kosa ny salan'isa azon'ny mpanakanto Vaneys na Vanessa Harinomenjanahary.

Mahajanga I (BV 116/221 # 54,98%)

Christian Afakandro, kandida natolotry ny Firaisankina, no mitarika. Nahazo 45,58% ny tenany. Manaraka azy ny kandidan'ny IRMAR, Lalao Rahantanirina, nahazo 25,52%.

Mahajanga II (BV 55/105 # 52,38%)

Kandida roa no nifaninana. Toy izao àry ny vokatra : 61,63% no azon'ny kandida tsy miankina Handry Orlando, ary 38,73% no azon'ny kandidan'ny IRMAR, Lon Rasalama.

Lire la suite

Articles Similaires