• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Princesse Bora Lodge
Image
Madagasikara

Toerana 3 tsara tsidihina rehefa mivahiny ao Sainte-marie

24/05/2024 10:33 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny « Festival des Baleines » izay hetsika lehibe mampalaza ny Nosy Boraha na Sainte-Marie. Fotoana iray manokana ahafahana mijery ireo trozona mandalo ny ranomasina manamorona ity nosy kely ity moa izany. Ankoatra io hetsika io dia maro ireo toerana mahaliana azo tsidihana any an-toerana. Araho eto ary ny santionany amin’izy ireo.

Ny fiangonana katolika voalohany teto Madagasikara

Ho an’ireo liana amin’ny tantara sy vakoka dia isan’ireo toerana tsara tsidihana any Sainte-Marie ny Fiangonana katolika voalohany teto Madagasikara. Fanomezana avy amin’ny amperora vavy Eugénie, vadin’i Napoléon III moa izy io ary nahorina tamin’ny taona 1857. Ao amin’ny tananan’Ambodifotatra no misy azy.

Ny « Cimetière des pirates »

Toerana iray mifono tantara tsara tsidihana ao Sainte-Marie ihany koa ny « Cimetière des pirates ». Ao amin’ny « île aux forbans », eo ampitan’ny Fiangonana katolika voalohany teto Madagasikara no ahitana azy. Araky ny tantara dia « pirates » aman’arivony, antsoina hoe « forbans » no nitoetra teo an-toerana tamin’ny taonjato faha-18. Fomba iray ahafantarana misimisy mikasika ny tantaran’ireo « pirates » ireo ny fitsidihana ny fasan’izy ireo sy ireo sisa tavela tamin’ny fitoeran’izy ireo teo amin’io toerana io.

Ny « île aux Nattes »

Isan’ireo toerana mahafinaritra sy mahaliana indrindra mila tsidihina any Sainte-Marie ny « île aux Nattes ». Antsoina ihany koa hoe Nosy Nato, ny anarany dia azo avy amin’ny anaran’ny hazo atao hoe « nato ». Ity farany no fampiasa amin’ny fanamboarana lakana. Ny hatsaran’ny torapasika sy ny riandrano manamorona azy no isan’ny mampiavaka ny île aux Nattes. Ahitana « barrière de corail » ihany koa izany riandrano izany ka afaka anaovana « snorkeling » sy « plongée » ho an’ireo liana mijery ny zavaboahary anaty rano. Tsy ambakan’izany ihany koa ny hatsaran’ny afovoan’ity nosy kely ity ho an’ireo tia manao ireny « randonnée » ireny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo