• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cm-Puydedome.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny fanaovana « clarification » ny volo

15/05/2024 13:52 © Moov.Mg

Maro ireo fomba atao hikolokoloana ny volo ho salama sy mangirana lalandava. Anisan’ny malaza sy efa betsaka mpanao ankehitriny ny « clarification » ny volo. Manampy betsaka amin’ny fanadiovana sy fitsaboana ny volo moa izy io. Fa inona tokoa moa no atao hoe « clarification » ny volo ? Oviana no tokony manao azy io ary ahoana ny fomba fanaovana azy ?

Inona no atao hoe « clarification » ?

Ny atao hoe « clarification » dia fomba iray fanadiovana ny volo amin’ny fomba lalindalina kokoa raha oharina amin’ny fanasana azy amin’ny savony na « shampoing ». Ny fanaovana « clarification » dia manala tanteraka ireo ambina « produits » rehetra miraikitra eo amin’ny fotombolo ka lasa manentsina ny masokoditry ny volo.
Rehefa tsentsina ireto farany dia lasa tsy miaina tsara sy tsy mahazo aina ny volo. Miasa amin’ny fanadiovana ny hodi-doha sy ny volo iray manontolo moa ny « clarification » ary maro ireo akora natoraly azo ampiasaina amin’ny fanatanterahana azy. Satria moa manokatra ny masokoditry ny volo izy io dia tsy tsara atao matetika loatra.

Oviana no tokony manao « clarification » ny volo ?

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy tsara atao matetika loatra ny « clarification » ny volo satria mety hanimba azy indray izany. Anisan’ireo fambara ahafantarana fa tokony manao « clarification » rehefa :
-Hiova vaninandro (ririnina na fahavaratra) ;
-Tsikaritra fa tsy misy mandaitra intsony izay « produits » ampiasaina ;

Ampiasa « produit » vaovao amin’ny volo ;

-Lasa mora mitera-menaka be loatra ny volo ;
-Hita fa tsy mety mialava intsony ny volo na efa karakaraina amin’ny « produits » maro samihafa aza ;
-Tsy mety mangirana sy mandimandina intsony ny volo na efa atao « bain d’huile », osorana « sérum » sy sasana tsara ;
-Hivadika ampiasa vokatra natoraly tanteraka amin’izay hikarakarana ny volo.

Ahoana ny fomba fanaovana « clarification » ny volo ?

Maro ireo vokatra efa vonona ampiasaina (produits clarifiants » sy ireo akora natoraly azo hanaovana « clarification » ny volo. Raha tia mampiasa vokatra natoraly dia azo safidiana ny « argile blanche ». Tsotra ny dingana atao amin’ny fanaovana « clarification » amin’ny alalan’ity tanimanga fotsy ity.
Afangaro ny « argile blanche » sy ny rano matimaty mba ahazoana paty tsy matsora be loatra nefa tsy marihitra be ihany koa. Tsy misy fatra manokana moa fa izay sahaza ny habetsan’ny volo no karakaraina.
Lemana tsara ny volo ary osorana tsara ilay paty nokarakaraina teo ny fotombolo sy ny tahony. Somary horina ny volo mba hiasa tsara ilay fangaro.
Avela hilona eo mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Tsy azo avela ho maina fa vao hita fa mitady ho maina dia lemana rano amin’ny « vaporisateur ».
Rehefa vita izay dia kobanina tsara ny volo hialan’ilay tanimanga fotsy. Aorian’izay dia sasana toy ny mahazatra ny volo.
Rehefa madio dia manao « masque hydratant ». Raha tsy manana « masque » dia « bain d’huile » no atao avy hatrany vao maina ilay volo avy nosasana. Ilaina be ity dingana farany ity ho fiarovana ny volo tsy ho makiana rehefa avy natao « clarification ».

Lire la suite

Articles Similaires