• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fourchette Et Bikini
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « pain au lait » vita ao an-trano

14/05/2024 16:20 © Moov.Mg

Karazana mofo isan’ny matsiro sy ankafizin’ny ankizy tokoa ny « pain au lait ». Isan’ny mampiavaka azy ity moa ilay izy malemy, malefaka sy mora levona kokoa ao am-bava rehefa mihinana azy. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « pain au lait » vita ao an-trano.

Ireo akora ilaina raha hanao « pain au lait »

-Ronono 300ml ;
-Dibera 50g ;
-Siramamy 45g ;
-« Levure boulanger » 10g ;
-Lafarina varim-bazaha 500g ;
-Sira 1 sotrokely ;
-Atody 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « pain au lait »

Afanaina amin’ny hafanana 220°C ny lafaoro ;
Arotsaka anaty ronono nandrahoana ary nendrasana matimaty ny « levure ». Arotsaka ao manarak’izay ny dibera natsonika sy ny siramamy.
Alefa anatin’io fangaro io manarak’izay ny lafarina sy ny sira ary volavolaina (pétrir) mba hitambatra tsara.
Atao anaty « saladier » io paty io ary saromana lamba matevina.
Avela hilona mandritra ny ora 1 ao amin’ny toerana mafana sy tsy hazon’ny rivotra.
Rahana lafarina ny latabatra. Volavolaina sy kosehina moramora eo ambonin’ity farany ny paty. Avy eo volavolaina atao lasa boribory ary zaraina 10.
Volavolaina tsirairay atao lasa miendrika mofo kely ireo paty ireo.
Kapohana amin’ny sotrorovitra ao anaty « bol » ny atody.
Osorana an’io atody io ny tampon’ireo mofo (pain au lait) nokarakaraina teo aloha.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 10 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires