• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Qare
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanina : ireo mety ho antony sy ny vahaolana

16/03/2026 11:10 © Moov.Mg

Fahatsapana mety hiseho tampoka ka mampanahy ny fanina. Matetika rehefa fanina dia mahatsapa ho toy ny mihodina ny efitra manodidina ny tena, na toa mitady ianjera na hoe very « équilibre ». Matetika dia tsy mampidi-doza ny fanina. Indraindray kosa nefa dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana mila fitandremana izy io. ‘Ndeha ho resahana eto ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho fanina sy ny fomba hiatrehana izany.

Fanina : ireo mety ho antony sy ny vahaolana

Fahatsapana mety hiseho tampoka ka mampanahy ny fanina. Matetika rehefa fanina dia mahatsapa ho toy ny mihodina ny efitra manodidina ny tena, na toa mitady ianjera na hoe very « équilibre ». Matetika dia tsy mampidi-doza ny fanina. Indraindray kosa nefa dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana mila fitandremana izy io. ‘Ndeha ho resahana eto ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho fanina sy ny fomba hiatrehana izany.

Inona no atao hoe fanina?

Ny fanina dia fahatsapana ho toy miodikodina na mihetsiketsika ny manodidina na dia tsy mihetsika aza ny vatana. Tsy mitovy amin’ny fahatsapana reraka na fahitana manjavozavo vetivety izy. Indraindray dia misy fambara hafa miaraka amin’ny:
-maloiloy,
-fahasarotana mitazona fifandanjana (équilibre),
-hatsembohana,
-fahasahiranana mandeha.

Ireo antony matetika mahatonga ny olona iray ho fanina

Misy antony maro mety hiteraka ny fahatsapana fanina. Ireto ny isany mahazatra indrindra:
-Olana ao amin’ny sofina anatiny. Ny sofina anatiny dia tena manan-danja amin’ny fitazonana fifandanjana. Raha misy fikorontanana ao dia mety hahazo vaovao tsy mitovy ny atidoha ka miteraka fanina.
-Fidinan’ny tosidrà. Rehefa mitsangana tampoka ny olona dia mety hahatsapa fanina vetivety satria mihena kely ny rà tonga any amin’ny atidoha.
-Adin-tsaina sy tebiteby. Ny adin-tsaina mafy dia mety hiteraka fahatsapana ho fanina na ho toy ny mihodina ny loha.
-Tsy fahampiana rano na havizanana. Ny tsy fahampiana rano, torimaso, na sakafo dia mety hiteraka fahatsapana ho fanina.
-Fanafody sasany. Misy fanafody sasany mety mahafanina (effets secondaires).

Inona no atao raha sendra fanina?

Raha vao mahatsapa fanina dia tsara ny manao ireto zavatra manaraka ireto:
-Mipetraka na mandry avy hatrany mba hisorohana ny fianjerana,
-Mijery na mifantoka amin’ny zavatra iray tsy mihetsika,
-Mifoha sy miaina moramora,
-Misotro rano raha toa ka mety noho ny tsy fahampian-drano ny mahatonga azy,
-Fadiana ny mitsangana tampoka, indrindra rehefa avy natory.

Ahoana ny fomba hisorohana fanina?

Misy fahazarana afaka manampy hisorohana ny fanina:
-Misotro rano ampy isan’andro
-Matory tsara sy ampy
-Mitsangana tsikelikely rehefa avy nipetraka na nandry
-Mifehy ny adin-tsaina
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja
Ny fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka koa dia manampy amin’ny fanatsarana ny fifandanjana sy ny fivezivezen’ny rà.

Rahoviana no tokony hanatona dokotera?

Matetika dia mandalo vetivety ny fahatsapana ho fanina. Na izany aza dia tsara manatona mpitsabo raha toa ka :
-miverimberina matetika ny fanina,
-maharitra andro maromaro,
-miaraka amin’ny mandoa mafy,
-misy olana amin’ny fahitana, ny fiteny, na fahalemena amin’ny lafiny iray amin’ny vatana,
-miseho taorian’ny dona tamin’ny loha,
Ireo soritr’aretina ireo dia mety manondro olana ara-pahasalamana mila fitsaboana.

Lire la suite

Articles Similaires