• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midivet
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanafody manala kankana ho an’ny ankizy : ireo tsara fantatra mikasik’izany

16/03/2026 12:17 © Moov.Mg

Toe-javatra fahita eo amin’ny ankizy ny kankana ao anaty tsinay, indrindra eo amin’ireo 2 hatramin’ny 10 taona. Mety hampanahy ray aman-dreny izany, saingy amin’ny ankapobeny dia mora tsaboina amin’ny ody kankana (vermifuge) izy io. Araho eto ny antony mahatonga ny ankizy misy kankana, ny fambara izany sy ny fomba fihinanana ny ody kankana.

Inona no antony mahatonga ny ankizy ho mora misy kankana ?

Mora misy kankana ao anaty tsinay ny ankizy noho izy ireo mifandray be amin’ny tontolo manodidina azy sy ny tsy mbola fahafehezany tsara ny fahadiovany. Anisan’ireo antony lehibe mampisy kankana ny ankizy ny :
-Tsy fahadiovan’ny tanana. Mety hisy atodin-kankana amin’ny tanana rehefa avy milalao tany na mikasika zavatra maloto.
-Hoho lava na fahazarana manaikitra hoho. Mety miafina ao ambanin’ny hoho ny atodin-kankana ary miditra ao anaty vatana rehefa ampidirin’ny zaza ao am-bava ny rantsan-tanany.
-Voankazo sy legioma tsy voasasa tsara. Mety mitondra atodin-kankana ireo sakafo ireo.
-Fifandraisana amin’ny ankizy hafa misy kankana. Mora mifindra ny kankana any an-tsekoly na any amin’ireny « garderie » ireny.
-Lamba sy fandriana maloto. Mety hijanona amin’ny lambam-pandriana, atin’akanjo na servieta ny atodin-kankana.

Ireo karazana kankana fahita amin’ny ankizy

Misy karazany maro ny kankana ao anaty tsinay na « vers intestinaux ». Anisan’ireo fahita amin’ny ankizy ny :
-« Oxyure ». Izy no kankana fahita indrindra amin’ny ankizy. Ny fisiany ao amin’ny tsinay dia mety hiteraka mangidihidy amin’ny fivaviana na ny vody, indrindra amin’ny alina, fikorontanan’ny torimaso ary fahasorenana.
-« Ascaris ». Kankana lehibe kokoa izy ity ka mety hiteraka fanaintainan’ny kibo, fivalanana na fitohanana, tsy fahazotoan-komana.
-« Ankylostome » sy « trichocéphale ». Tsy dia fahita loatra izy ireo saingy ny fisiany dia mety hitarika havizanana sy tsy fahampian-drà.

Ireo soritr’aretina tokony harahi-maso

Ireto soritr’aretina ireto dia mety manondro fisian’ny kankana eo amin’ny ankizy:
-mangidihidy amin’ny vodiny (indrindra amin’ny alina),
-fanaintainan’ny kibo,
-fivalanana,
-tsy fahazotoan-komana,
-torimaso mikorontana,
-fahasorenana,
-fahitana kankana fotsy kely ao amin’ny malotony na amin’ny atin’akanjo,
Indraindray anefa tsy misy soritr’aretina mihitsy.

Ahoana ny fiasan’ny fanafody manala kankana?

Ny ody kankana dia fanafody mamono na mamparefo ny kankana ao anaty tsinay, ka manampy ny vatana hamoaka azy ireo amin’ny alalan’ny maloto (kakà). Matetika izy ireny dia miendrika « sirop », « comprimé » azo tsakoina na « suspension buvable ».

Ny fatra ampiasaina (amin’ny ankapobeny)

Miankina amin’ny taona sy ny lanjan’ny ankizy ary ny karazan’ilay kankana ny fatran’ ody kankana homena azy. Tokony hanaraka hatrany ny torohevitry ny mpitsabo nefa ny fanatanterahana izany. Amin’ny ankamaroan’ny fitsaboana dia toy ireto manaraka ireto ny fatra fanomezana ny ody kankana :
Fatra iray (dose unique) no omena voalohany. Averina indray rehefa afaka 2 ka hatramin’ny 3 herinandro. Zava-dehibe io fatra faharoa io satria manampy mamono ireo kankana vao nipoitra avy amin’ny atody. Misy fotoana ihany koa mety hoanina 3 andro misesy ny ody kankana, miankina amin’ny karazan’ny kankana sy ny habetsany.
Indraindray dia tsaboina miaraka ny fianakaviana rehetra mba hisorohana ny fifindran’ny kankana indray.

Lire la suite

Articles Similaires