• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Couleur Science
Image
Madagasikara

Mainty : Tena lokon'ny maizina tokoa ve ?

02/05/2024 07:31 © Moov

Mazàna dia hevitra ratsy hatrany no tonga ao an-tsaina raha vao miteny hoe "loko mainty". Ho an'ny eto Madagasikara dia azo lazaina fa ampifandraisin'ny maro amin'ny zavatra tsy mahasoa isan-karazany izany loko izany. Loko toy ny loko rehetra àry ve ny mainty sa isika mihitsy no efa manana fijery raiki-tampisaka izay toa tsy misy hevitra mazava akory ?

Fihevitra mahazatra

Raha ny mahazatra, na eto Madagasikara na maneran-tany, ampiasaina amin'ny andro manjombona ny loko mainty. Rehefa mandevina no tena ampiasana izany loko izany. Matetika ihany koa dia heverin'ny besinimaro fa mifandraika amin'ny hery ratsy ny mainty satria toa ampiasaina amin'ny fombafomba isan-karazany amin'ireny "cultes sataniques" ireny. Heverina ihany koa fa ireo mpitia mozika mavesatra no tena tia loko mainty, ohatra amin'izany ny gadona Rock. Ireo olona mpankafy izany nefa dia matetika voatsara tsotr'izao hoe tsy mivavaka na mpanompo sampy mihitsy aza.
Raha misy olona tia loko mainty izany dia anaovan'ny fiaraha-monina fijery hafahafa. Mety hisy hanendrikendrika ho "mpanompo sampy" na "mpamosavy" mihitsy raha misafidy "thème" misy mainty ao an-trano na amin'ny andron'ny mariazy.
Ireto misy teboka maromaro tsy azo lavina :
-Mainty ireo harena an-kibon'ny tany tena sarobidy, toy ny "charbon de terre" sy ny "pétrole". Misy vato sarobidy miloko mainty ihany koa ;
-Mainty tanteraka ny volamena rehefa tefena amin'ny afo. Diovina izy avy eo vao manome ilay loko mamiratra ;
-Mainty no nanamboaran'ny Mpahary ny volo rehetra eny amin'ny vatana, raha ho an'ny Afrikana no resahina. Efa any ho any amin'ny 50 taona mahery ny olona vao miova ny lokon'ny volo, ary lasa fotsy ;
-Raha eo amin'ny lamaody no jerena, na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy; loko mahazatra ny mainty. Maherin'ny 60%-n'ireo kiraro sy poketra dia mainty avokoa, satria lasa loko "standard" izy ;
-Tsy azo atao ny misalotra lamba mainty rehefa handray tsodrano mandritra ny fotoandehibe karakarain'ireo mpandala fomban-drazana Malagasy. Ny loko fotsy sy mena no tena miasa ;
-Mbola maro ireo mpitondra fivavahana misalotra ny mainty rehefa hampivavaka. Ireo vondrona manatanteraka "concert classique" ihany koa dia mitafy mainty hatrany, na ireo mpitendry na ireo mpihira.

Fanitsiana fijery

Mahazatra antsika Malagasy ny mino avy hatrany raha vao misy "honohono". Raha ny mikasika ny loko mainty indray dia tsy ny eto Madagasikara ihany no mihevitra azy io ho lokon'ny maizina. Tsara ihany nefa ny mahalala misimisy kokoa momba io loko io.
Tsy "ratsy" velively ny loko mainty fa toa ny loko rehetra ihany. Anisan'ny loko tena tsara izy ho an'ireo olona "optimiste" :
-Amin'ireo mpikirakira sary dia "non-couleur" ny mainty sy ny fotsy. Mitovy ihany izy roa ireo, sady mifameno ihany koa.
-Amin'ireo sinoa mandala ny taoïsme, ny "mainty" dia "yin" izay manambara ny "vehivavy", ny hatsiaka, ny rano, ny ao anaty. Ny "fotsy" izany no "yang", manambara ny "lehilahy", ny mafana, ny afo, ny ivelany. Tsy afa-misaraka ny mainty sy ny fotsy, satria ny mainty no fitaratry ny fotsy.
-Tsy manome hazavana ny "mainty", saingy mitazona hazavana. Izany no ilazana azy fa mitahiry tanjaka sy hery tsy azo refesina ;
-Amin'ireo mpanaingo trano toa an'i Sarah Poniatowski-Lavoine, manome lanja ny fahatsarana manaraka ny toetr'andro (chic et moderne) ny mainty raha ampiasaina ao an-trano. Mety amin'ny efitra rehetra izy io.
-Koa satria "tsy loko" ny mainty, manome lanja ireo loko ampiarahana aminy izy. Fanaon'ny olona mihitsy no misafidy loko marevaka ampiarahana amin'ny mainty. Na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy mantsy, mora hita eny an-tsena ny kiraro sy kojakoja mainty. Maromaro ihany no ho sahirana raha tsy hanao zavatra mainty intsony noho ny fiheverana fa '"lokon'ny devoly" ny mainty ;
-Manome lanja ny fahatsorana, ny fahasamihafana sy ny raitra ny mainty ;
-Azo anehoana fahavononana sy fahatokisan-tena ihany koa ny mainty.
Tsy azo lavina fa fampiasa amin'ny fahoriana ny mainty. Tsy midika nefa izany hoe isaky ny misy fahafatesana ihany vao hamoaka akanjo mainty. Tsara ihany koa ny mamelatra ny fomba fijery ka tsy hijery ny lafy ratsin'ilay loko fotsiny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo