• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Règles douloureuses : Ireo sakafo mampihena fanaintainana

30/04/2024 06:54 © Moov

Tsy vitsy ireo vehivavy no marary kibo rehefa tonga fotoana. Misy ireo tsy tafarina eo am-pandriana mihitsy. Mety hampisy voka-dratsy nefa ny fihinanana fanafody manala fanaintainana, indrindra ho an'ireo vehivavy mbola tsy niteraka. Tsara kokoa àry raha vokatra natoraly no hanina rehefa marary mandritra ny fadim-bolana.

Mahakasika ny sokajin-taona rehetra ny fanaintainana rehefa tonga fotoana. Diso ny filazana fa mijanona izany rehefa manomboka manao firaisana ara-nofo na rehefa miteraka. Ireto àry misy sakafo vitsivitsy afaka hanina tsara mialoha kely na mandritra ny fadim-bolana.

Sakamalaho

Manafana kibo ny sakamalaho hoy ny Malagasy. Marina tokoa izany satria mila hafanaina ny kibon'ny vehivavy rehefa mandeha fadim-bolana mba tsy hanakorontana ny rivotra. Isa-maraina, mandritra ny 5 andro eo ho eo, amporisihina ny fisotroana "thé au gingembre". Kikisana ny sakamalaho ka atao anaty ranona dite. Tantely no ampiasaina mba hahamamy ilay dite fa tsy siramamy.

Goavy tsinahy

Mila "fibres" ny vatana rehefa tonga fotoana. Somary mikorontana mantsy ny taova fandevonan-kanina ka mahatonga ny tsy fahazoana aina. Tsara àry ny mihinana goavy tsinahy, na dia 50 grama isan'andro aza. Be vitamina C ihany koa io voankazo io ka mampakatra ny hery fiarovana ao amin'ny vatana. Misy "antioxydants" ihany koa izy ka mampihena fanaintainana.

Legioma maitso

Tena ilaina tokoa ny legioma isan'andro mba hahasalama. Rehefa fadim-bolana dia ireo legioma maitso no tena hanina, toy ny épinards, brocoli, laisoa, sns. Manakarena vitamina A, C, B5 sy E izy ireny sady betsaka calcium sy potassium. Azo antoka fa hihena ny aretin-kibo sy ny manakotsako any amin'ny taolana. Misoroka ny fitohanana (constipation) ihany koa ny legioma maitso.

Voankazo maina

Manakarena Oméga 3, izay manampy betsaka ny fiasan'ny atidoha sy ny fo, ny voankazo maina. Misy magnésium sy potassium ihany koa izy io ka mampihena ny fanaintainana. Mazotoa àry mihinana daty, voaloboka na paoma maina. Azo atao tsara ihany koa ny mihinana karazana "noix" : amandes, noix de cajou, sns.

Sokolà

Mampahazo aina ery ny misotro "chocolat chaud" rehefa mararirary kibo iny. Manankarena magnesium ny sokolà ka manampy amin'ny ady amin'ny fanaintainana. Mila ferana nefa ny fihinanana siramamy, ka sokolà mainty no tena mety, fa tsy sokolà fotsy na sokolà misy ronono.

Tandremana tsara nefa ny fatra hanina mba tsy hitarika aretin'aty, indrindra ho an'ireo mora mangidihidy.


Copyright Image : © Aufeminin

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo