• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Le Matin
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana eto ny mikasika ny aretina « hémophilie »

17/04/2024 13:27 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny faha 17 Aprily ny aretina « hémophilie ». Aretina iray vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fivainganan’ny rà moa izy io. Hatreto dia mbola tsy mety sitranina ny « hémophilie », nefa kosa efa misy ireo fitsaboana ahafahana miaina tsara miaraka amin’ity areti-mitaiza ity. Ampahafantarina eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « hémophilie ».

Inona no atao hoe aretina « hémophilie »

Aretina iray manaranaka mifototra amin’ny tsy fikorontanan’ny fampivainganana (coagulation) ny rà ny « hémophilie ». Misy karazany roa moa izy io. Ny voalohany dia ny « hémophilie A » izay vokatry ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny « protéïne » antsoina hoe « facteur VIII » ao anatin’ny rà. Izy io no mampivaingana ny rà (coagulation). Ny karazany faharoa dia ny « hémophilie B ». Tsy fahampian’ny mpampivainga rà atao hoe « facteur XI » no mahatonga azy.
Ny « hémophilie A » no fahita indrindra ary ny lehilahy no tena voa. Satria tsy mety mivaingana araka ny tokony ho izy ny ràn’ny olona « hémophile » dia mandeha rà matetika izy ireny. Ny vanin-taolana sy ny hozatra mahazana no tratry izany. Mazava ho azy fa misy fiantraikany ara-pahasalamana izany raha tsy misy fandraisan-tanana ataon’ny mpitsabo.

Ahoana ny fomba fisehon’ny « hémophilie » ?

Amin’ny ankapobeny dia hita mialoha, dieny mbola kely, ny aretina « hémophilie » noho izy manaranaka. Anisan’ireo fambara ahafantarana azy ny hoe :
-Misy mangana matetika amin’ny vatana nefa tsy voadona ;
-Mandeha rà any anatin’ny hozatra sy ny fanintaolana ka mahantonga fivontosana na faritra mangana manaintaina ;
-Rehefa maratra dia ela be vao mijanona ny rà, eny na dia ratra kely aza ;
-Mety mandeha rà orona na mandoha rà ;
-Misy rà rehefa mivalan-drano na amin’ny maloton’ilay olona ;
-Ho an'ny vehivavy « hémophile » dia somary be rà mandeha ary ela vao mijanona rehefa mandeha fadim-bolana.

Ahoana ny fandraisan-tanana atao amin’ny olona « hémophile » ?

Marihana fa mizara ho sokajy telo ny « hémophilie » arakaraky ny fahasarotany, izany hoe « mineure », « modérée » na « sévère ». Samy manana ny fandraisan-tanana mifanaraka aminy avy izy ireo. Raha misy fambara vitsivitsy amin’ireo voalaza teo ambony ireo dia mila manao fitiliana rà ahafantarana fa tratry ny « hémophilie » tokoa ve ary manao ahoana ny sokajin’izany.
Ny mpitsabo irery ihany moa no mamaritra ny fitsaboana atao. Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fitsaboana atao hoe « substitutifs » ny fandraisan-tanana ity aretina ity. Raha voaharaka tsara izany dia mahavita miaina tsara miaraka amin’ity farany ny marary.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo