• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Hck.Ma
Image
Fahasalamana&Sakafo

Inona no maha samihafa ny sery sy ny gripa ?

28/03/2024 14:56 © Moov.Mg

Mbola maro tokoa ny tsy mahay manavaka ny sery sy ny gripa. Izany dia noho ny fisian’ireo soritr’aretina maromaro hitovian’izy ireo. Efa ho avy ary izao ny vaninandro ririnina ka ho fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ireo valan’aretina ireo dia ampahafantarina eto ny maha samihafa ny sery sy ny gripa.

Inona no atao hoe sery ?

Ny sery, antsoina amin’ny teny frantsay hoe « rhume », dia otrikaretina iray mahazo ny orona sy ny tenda vokatry ny viriosy. Misy karazana 6 moa ireo viriosy mety mahatonga ny sery. Rehefa tafiditra anaty vatana ilay viriosy dia mampivonto ireo sela anaty vava, tenda ary orona.
Entin’ny rivotra eny ny viriosy mahatonga ny sery avy amin’ny olona marary izay nikohoka na nievina. Maharitra 1 hatramin’ny 4 andro ny fiotrehan’ny aretina ao amin’ny vatana. Mety mamindra kosa nefa ny marary alohan’ny fisehon’ireo soritr’aretina sy 10 andro aorian’izany.
Rehefa voan’ny sery ny olona iray dia mievonevona, marary tenda, misy lelo ary tsentsina ny orona. Amin’ny ankapobeny dia resin’ny hery fiarovana ao amin’ny vatana ao anatin’ny 7 andro ny viriosin’ny sery. Izany hoe sitrana ho azy izy io matetika.

Inona no atao hoe gripa ?

Ny gripa, antsoina amin’ny teny frantsay hoe « grippe », dia otrikaretina mahavoa ny taovam-pisefoana vokatry ny viriosy. Misy karazany 4 ireo viriosy mahatonga ny gripa. Mandritra ny ririnina ity farany no tena mirongatra. Mifindra amin’ny alalan’ny piti-droran’ny marary izay entin’ny rivotra ihany koa izy io.
Misy ireo fisehon’ny gripa izay hitovizany amin’ny sery : mikohoka, mievonevona, marary tenda. Manampy izany ireo soritr’aretina mampiavaka ny gripa, toy hoe manavy, marary an-doha, mangorangorana, havizanana be.
Ny fakana aina tsara no fomba ampitoniana ireo soritr’aretina. Sitrana ho azy ao anatin’ny 1 na 2 herinandro ny gripa amin’ny ankapobeny. Mety miombo koa anefa ity otrikaretina ity eo amin’ireo olona ambany ny hery fiarovany. Ny fahasarotana mety aterak’izany dia ny fahatongavana amin’ny « pneumonie », « bronchite » na ny « otite ». Mazava ho azy fa mila manantona mpitsabo raha toa ka tsy mety miafana ny fanaviana, tsy sitrana anatin’ny 2 herinandro ny gripa, mihasempotra ilay marary na miombo ireo soritr’aretina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo