• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Musée De La Photographie De Madagascar
Image
Madagasikara

Dr Joseph Ravoahangy, Dr Joseph Raseta, Jacques Rabemananjara : ireo mpitarika MDRM tamin'ny taona 1946-1947

28/03/2024 11:26 © Moov

Samy solombavambahoaka malagasy nahazo toerana tao amin'ny Antenimierampierenena Frantsay i Raseta sy Ravoahangy. Tany Frantsa izy ireo no nihaona tamin'ilay Diaspora antsoina hoe Rabemananjara. Nanorina ny Mouvement démocratique de la rénovation malgache (MDRM) izy telohahy avy eo.

Ny taona 1945, taorian'ny fifaranan'ny ady lehibe faharoa, no efa nitaky ny hamerenana feno ny fahaleovantena i Madagasikara. Niha-nalefaka ny mpanjanaka ka nahazo toerana roa tao amin'ny Antenimierampierenena Frantsay i Madagasikara. Niombona tamin'izy roalahy avy eo ilay teratany malagasy nonina tao Frantsa, Jacques Rabemananjara.

Joseph Ravoahangy Andrianavalona

Raha ho an'ny mponina eto Antananarivo dia tsy zoviana intsony izany hoe Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Mpitsabo mantsy i Joseph Ravoangy, izay tsy iza fa mpitari-tolona tamin'ny 1946-1947. Nisehatra teo amin'ny politika ihany koa izy, ary solombavambahoakan'i Madagasikara ny taona 1945 hatramin'ny 1951 : 21 oktobra 1945 hatramin'ny 10 jona 1946 ary 10 novembra 1946 hatramin'ny 4 jolay 1951. Anisan'ireo minisitra ny tenany tamin'ny fitondran'i Philibert Tsiranana, tamin'ny taona 1960.
Ny 28 octobre 1893 izy no teraka, tao Fianarantsoa, ary nodimandry ny 21 aogositra 1970 teto Antananarivo. Fony fahavelony, ny taona 1896 no nisokatra ny HJRA, izay nampitondraina ny anarany. Efa mpikambana tao amin'ny tao amin’ny Vy Vato Sakelika (VVS) ny tenany, izay fikambanana niafina. Ny votoanton-kevitra tao amin'izany vondrona izany ihany no nanorenany ny MDRM.

Joseph Raseta

Samy dokotera na i Joseph Ravoahangy na i Joseph Raseta. Mpinamana araka izany izy roalahy mpitari-dolona MDRM.
I Joseph-Delphin Raseta dia teraka tamin'ny 9 desambra 1886 ary nodimandry ny 5 oktobra 1979. Nampitondraina ny anarany ny Hôpitaly ao Befelatanana : Hôpital Joseph Raseta Befelatanana (HJRB). Marihana nefa fa tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia mbola "Hôpital Indigène" no anaran'io toeram-pitsaboana io, ary ny 29 marsa 2004 vao novaina ho HJRB.
Olom-pirenena tena nanao ho ambonin-javatra ny fitiavan-tanindrazana izy, nanaraka ny dian-drainy sy ny raibeny. Ny rainy dia «Aide de camp»-n'ny Praiminisitra Rainilaiarivony, sady nisahana ny asan'nyGovernora tany Boina. Ny raibeny kosa dia manamboninahitra tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana sady nandray anjara tamin’ny ady tamin’ny mpananim-bohitra frantsay, ny taona 1883 ka hatramin’ny 1885. Ny taona 1915 dia nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny politika izy ka lasa mpikambana tao amin’ny Vy Vato Sakelika (VVS). Mpanao gazety ihany koa ny tenany, tao amin'ny "Parti Communiste, Région Madagascar # PCRM". Nogadraina roa taona tao Moramanga ny tenany, nefa mbola lany Depiote rehefa avy nivoaka ny fonja.
Anisan'ireo nirotsaka ho fidiana ho filohampirenena ny tenany tamin'ny taona 1960, saingy 2%-n'ny vato manankery ihany no azony. Tamin'ny fitondran'i Didier Ratsiraka izy no nasandratra ho Mahery fon’ny Revolisiona ("Héros de la révolution").

Jacques Rabemananjara

Teraka ny taona 1913 teto Madagasikara i Jacques Rabemananjara. Mpanoratra sy poeta no tena nahafantarana azy, sady mpankafy no mpandimby an'i Jean-Joseph Ravearivelo. Nanao politika ihany koa nefa ny tenany.
Ny taona 1939 izy no nifindra monina tao Parisy, nanohy fianarana raha ny marimarina kokoa. Nahazo ny mari-pahaizana Licence de Lettres classiques tao amin'ny Oniversiten'i Sorbonne ny tenany, ary namoaka boky amboaran-tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Sur les marches du soir". Ny volana oktobra 1988 izy dia nahazo ny Grand Prix de l’Académie française
Nandray anjara tamin'ny fanorenana ny MDRM ny tenany tamin'ny 1946. Rehefa nody teto Madagasikara nefa izy dia vosambotra tamin'ny marsa 1947, ary nogadraina tao Nosy Lava. Tany am-pigadrana izy dia nahavita nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe "Les dieux malgaches" (tantara tsangana) sy "Antsa" (tononkalom-pitiavana).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo