• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Les Recettes De Titi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « flan pâtissier »

27/03/2024 08:13 © Moov.Mg

Efa nentina teto ny fomba fanamboarana « flan » nampiasa « poudre crème pâtissière ». Atoro anio indray ary ny fomba fikarakarana ny « flan pâtissier », izany hoe ilay mampiasaka akora maro samihafa. Mora karakaraina ary azo atao fitadiavambola ihany koa izy ity. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « flan pâtissier »

Ireo ilaina amin’ny fanaovana paty
-Dibera 100g ;
-Lafarina 200g ;
-Siramamy 100g ;
-Atody 1.
Ireo ilaina amin’ny fanaovana « crème »
-Atody 5 ;
-Ronono 700ml ;
-« Maïzena » 90g ;
-Siramamy 200g ;
-Ranona lavanila 1 sotrokely ;
-« Crème liquide » 200ml.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « flan pâtissier »

Ny fanaovana ny paty
Arotsaka anaty lovia lehibe iray ny dibera, siramamy sy ny lafarina ary afangaro amin’ny tanana mba hifangaro tsara. Arotsaka manarak’izay ny atody dia afangaro miaraka daholo. Avy eo volavolaina mba hitambatra.
Rehefa mifangaro tsara ireo rehetra ireo dia tokony mahazo paty malama sy tsy miraikitra amin’ny tanana intsony. Raha sendra mbola misy miraikidraikitra dia ampiana lafarina kely. Avy eo averina volavolaina. Avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana ny paty mandritra ny 30 minitra.
Ny fanaovana ny « crème »
Kapohana miaraka ao anaty lovia jobo ny atody sy ny siramamy. Avy eo arotsaka ny « maïzena » sy ny ranona lavanila ary haroharoina mba hifangaro tsara. Arotsaka tsikelikely ao anatin’io fangaro io ny ronono sy ny « crème liquide ».
Apetraka eo ambony afo malefaka ny fangaro rehetra ary aroharoina tsy ankiato mandrapahazoana « crème » marihitra tsara.
Rehefa vita izay rehetra izay dia alaina ny pay mangatsika. Fisahana tsara alohan’ny ametrahana azy anaty « moule ». Afanaina 180°C ny lafaoro.
Araraka ao anatin’ny paty ny « crème » namboarina teo alohan’ny handrahoina azy ireo anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 40 minitra.
Rehefa masaka tsara dia atao anaty vata-fampangatsiahana mandritry ny 6 ora izay vao azo hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo