• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © L'Est Républicain
Image
Madagasikara

Ireo fialamboly mahasoa tsara atao aorian’ny fisotron-dronono

15/03/2024 14:18 © Moov.Mg

Mila kolokoloina hatrany ny vatana, ny saina ary ny fahasalamana, indrindra rehefa aorian’ny fisotron-dronono. Izany dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ireo karazana miseho rehefa mahazo taona na ireo aretin’antitra hoy isika. Tsy voatery mikaroka zavatra sarotra sy mandany vola fa fialamboly tsotra azo atao ao an-trano ihany dia ampy. Ireto manaraka ireo ary ny santionany amin’izany.

Fikarakarana ny zaridaina

Isan’ireo fialamboly azo atao aorian’ny fisotron-dronono ny fikarakarana zaridaina. Ho an’ireo efa manana zaridaina sy efa zatra mikarakara voninkazo moa dia efa mandeha ho azy izany ary faly ihany koa manana fotoana malalaka kokoa anaovana izany. Tsy tara ihany koa nefa raha efa aorian’ny fisotron-dronono vao hanomboka izany. Fialamboly iray mitondra fitoniana ara-tsaina ny fanaovana zaridaina. Ankoatra izay moa dia mampihetsika ny vatana nefa tsy atahorana hamizaka be loatra ny fanaovana izany. Tsy voatery ireo manana tokontany ihany moa ny manao zaridaina fa azo atao ihany koa ny mamboly voninkazo, legioma na zava-maniry samihafa anaty fitoerany « pots de fleur » eo amin’ny lavarangana na ao an-trano.

Fanaovana « bricolage » sy ireo karazana asa-tanana

Mila tia mikarokaroka sy mitady fialamboly hatrany rehefa aorian’ny fisotron-dronono fa tsy mety ny mijanona tsy manao n’inon’inona intsony. Anisan’ireo zavatra azo atao ao an-trano sady mahasoa ny fanaovana « bricolage » sy ny fanaovana asa-tanana. Izany hoe manamboatra sy manatsara ireo fitaovana sy ireo fanaka simba na mila avaozina ao an-trano ho an’ireo mankafy « bricolage ». Mazava ho azy fa tsy mikitika zavatra tsy voafehy na atahorana hitera-doza, toy ireo fitaovana mitondra herinaratra, ireo fitaovana sarotra ampiasaina na mavesatra mety mandratra… Mikasika ny asa-tanana indray dia maro ireo azo ianarana sy atao, toy ny sary hosodoko, ny rary, ny fanaovana « tricot », mianatra manao sakafo …

Fanaovana lalao mandranin-tsaina

Ankoatra ny vatana dia mila kolokoloana sy ampiasaina hatrany ny saina rehefa aorian’ny fisotron-dronono. Izany dia manampy amin’ny fisorohana ny aretina mahazo ny atidoha rehefa mahazo taona, toy ny « alzheimer » … Anisan’ireo lalao azo atao ireny karazana iarahana maro (jeux de société » ireny, ny fanorona, ireo karazana lalao fahita anaty gazety… Azo atao tsara ny mifanao fotoana amin’ny namana mitovitovy taona dia miaraka manao izany fialamboly izany ao an-trano. Mety ihany koa nefa ny miaraka milalao ny ankohonana. Ankoatra ny fampiasana ny saina dia mitondra hafaliana sy fitoana ara-tsaina ny fanaovana ireny karazana fialamboly ireny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo