• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © 300Magazine
Image
Madagasikara

Diamond Wedding Dress : Akanjo mariazy 12 millions de Dollars na 54 milliards d'Ariary !

05/03/2024 06:24 © Moov

Tsy ny fiara sy ny trano ihany no mitentina amina miliara ! Maro ireo mpanambady manokana volabe ho an'ny andro iray toa zato. Izany indrindra no mahatonga ireo mpamorona akanjo lamaody sahy mivarotra akanjo lafovidy. 'Ndao fantarina ny momba ny "Diamond Wedding Dress".

Asa famoronana miavaka

Mpanjaitra akanjo lamaody, Renee Strauss, sy mpanao firavaka, Martin Katz, no namorona ny "Diamond Wedding Dress". Tsy vitan'ny miavaka kely ny didin'ity ankanjo mariazy ity fa sady misy vato sarobidy, dia ny diamondra izany.

12 millions de Dollars na 54 milliards d'Ariary no vidiny ivarotana azy, noho izy ahitana diamondra 25 carats be izao. Tsy adino ny lamba tsara kalitao sady tsy fahita firy izay nandrafetana azy. Miendrika "sirène" moa ity akanjo ity ka azo heverina fa natao ho an'ireo vehivavy tsara bika sady kelikely.


Copyright Image : © Mytour

Hatreto aloha, mbola tsy nisy olo-malaza nisalotra ity "Diamond Wedding Dress" ity. Marobe ireo mpanakanto malaza no nahasahy nitafy akanjo lafovidy tamin'ny andron'ny fanambadiany, saingy mora kokoa ny vidiny sady hafa ny didiny. Ny akanjo mariazin'i Kate Middleton ohatra dia mitentina 400 000 Dollars. Noforonin'ny mpanjaitra italiana Mauro Adami izy io. Mitovy vidy amin'io "robe mariée) io ihany koa ny fitafian'i Kim Kardashian tamin'ny mariaziny, izay an'ny marika Givenchy.

Ity hitantsika amin'ny sary ambany ity indray izao dia asa tanana japoney, ahitana diamondra ihany koa. Tsy adino ireo haingo boribory (perles) izay mandrakotra ilay akanjo mariazy. Ity asa tanan'i Yumi Katsura ity dia mora kokoa oharina amin'ny faha, noho ny vidiny 9 millions de dollars, izany hoe 4 000 000 ariary eo ho eo.


Copyright Image : © fashion.decorexpo

Andro malaza

Ireo mpanambady vehivavy no tena somokotra mitady izay akanjo mety aminy. Anokanana vola betsaka tokoa ny "robe de mariée" raha mitaha amin'ny "costard" an'ny lehilahy. Amin'izao fiainana efa sarotra izao nefa dia tsy voatery ho takatry ny mpanambady ny fitafiana tena raitra sy lafo. Samy efa mamaritra ny vola enti-manana amin'ny akanjo ireo mpivady, ka misy ny mahavita mividy "deuxième robe". Raha ireo "robe" eny amin'ireo magazay fivarotana akanjo mariazy vaovao no resahina dia manomboka amin'ny 300.000 hatramin'ny 1.000.000 ariary. Mety hihoatra ny vidiny raha mbola hafarana ny entana. Misy kosa nefa ireo "friperie" mbola tena tsara, izay manomboka amin'ny 50.000 ariary monja. Tsy vitsy ihany koa ireo misafidy ny hanofa ireo akanjo anaovana amin'ilay andro iray.


Copyright Image : © Cosmopolitan-fr

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo