• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Wakat'Séra
Image
Madagasikara

Aterineto : tsy mifantoka amin’ny tambajotra sosialy irery ihany !

28/02/2024 11:25 © Moov.Mg

Fantatrao ve fa tsy ny tambajotra sosialy irery ihany no azo ampiasaina ny aterineto ? Ahitana tranokala (sites) sy « plateformes » maro isan-karazany mahasoa sy mampiala voly ao aminy. ‘Ndeha ange ho resahana ireo zavatra hafa afaka atao ao amin’ny aterineto ankoatra ny fampiasana tambajotra sosialy e !

Mianatra sy mampitombo fahalalana

Ahitana tranokala sy « plateformes » maro dia maro ahafahana mianatra sy mampitombo fahalalana anaty aterineto. Misy fampianarana maro samihafa azo arahina ao amin’ireo karazana tranokala andoavam-bola na tsia. Tsy tambo izany ny karazana sy habetsaky ny fampianarana sy ny fampihofanana hita ao amin’ny aterineto. Ankoatra izay moa dia afaka anaovana fikarohana malalaka mikasika izay zavatra mahaliana sy tiana ho fantatra bebe kokoa ao amin’ireo « moteurs de recherches » toa an’i Google.

Mivarotra sy manjifa vokatra na tolotra isan-karazany

Tsy amin’ny « Facebook » ihany no ahafahana mivarotra sy mividy vokatra na tolotra ao amin’ny aterineto. Fantaro fa misy ihany koa ireo « plateformes » sy ireo tranokala mifantoka manokana amin’izany. Ankehitriny ary moa dia efa maro ireo « plateformes » azo hividianana zavatra avy any ivelany amin’ny alalan’ny aterineto. Misy ihany koa ireo orinasa mampiasa ny aterineto hifaneraserana amin’ireo mpanjifa mba ahafahan’ireto farany manjifa ny tolotra na ny vokatra nefa tsy mila mivoaka ny trano.

Mampiala voly

Maro ny zavatra mahafinaritra sy mampiala voly azo atao ao anatin’ny aterineto. Ao amin’ity farany no ahafahana manaraka, mahita ary maka (télécharger) ny ankamaroan’ny hira rehetra vaovao sy fahiny. Afaka hijerena horonan-tsary, hamakiana sy hangalana (télécharger) boky hilalaovana « jeux vidéo » na « jeux en ligne » maro samihafa, hangalana ireny « logiciels » sy « applications » ilaina amin’ny finday sy amin’ny solosaina ireny…

Miasa « en ligne »

Miroborobo ihany koa ireo karazana asa « en ligne » azo atao eo amin’ny aterineto. Maro ireo orinasa atao hoe « Offshore » izay manatanteraka asa ampanaovin’ny orinasa avy any ivelany azy ireny. Ankehitriny moa dia efa misy ihany koa ireo olona manokana afaka manatanteraka ireny karazana asa ireny, tafiditra anatin’izany ny Malagasy eto Madagasikara miasa mivantana ho an’ny mpampiasa any ivelany amin’ny alalan’ny aterineto. Ankoatra izay moa dia misy ireo karazana asa hafa azo atao eo amin’ny aterineto mba ahazoana vola.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo