• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clinique Interaxion
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Courbatures » : ny fomba atao hampitoniana sy hisorohana azy ireny

21/02/2024 09:58 © Moov.Mg

Maro ny antony mety mahatonga « courbatures ». Anisan’izany ny gripa, ny harerahana, ny fanombohana na fiverenana manao fanatanjahantena… Manaintaina ary mety mampanavy mihintsy ny « courbatures » rehefa tratr’izany. Inona ary ny fomba atao ampitoniana sy isorohana azy ireny ?

Inona no atao hoe « courbatures » ?

Ny « courbatures » dia fahatsapana fihenjanana sy fanaintainan’ny hozatra izay mitranga rehefa avy nampiasa be ny vatana. Matetika izy ireny dia miseho ao anatin’ny 12 hatramin’ny 48 ora aorian’ny fanatanjahantena na kotrana natao. Mahazana dia maharitra eo amin’ny 5 hatramin’ny 7 ora eo izany ny « courbatures ».
Raha toa kosa ka vao manomboka manao fanatanjahantena na miverina manao izany rehefa nijanona nandritra ny fotoana ela dia mety maharitra andro maro izany. Marihana fa mety ho fambara ny karazana aretina toy ny gripa, tazo… ihany koa ny « courbatures ».

Ireo fomba atao ampitoniana ny « courbatures »

Raha toa ka tsy vokatry aretina, izany hoe tsy fambaran’aretina, ny « courbatures » dia tsy mila fitsaboana na fanafody hampitoniana azy. Misy kosa nefa ireo torohevitra azo ampiharina mba hampitoniana ny fanaintainana sy mba hampisinda haingana azy ireny :
-Maka aina mba hampitoniana ny hozatra marary. Valiana kosa nefa ny kotrana rehefa afaka 48 ora mba hampisinda ny « courbatures » sy ny fanaintainana aterak’izany ;
-Misotro rano tsara mba hanatsarana ny fikorian’ny rà ao amin’ny vatana ;
-Mandro amin’ny rano mafana na maka lamba nolemana rano mafana ary iny no apetaka eo amin’ny faritra misy « courbatures » mba hampitony ny fanaintainana ;
-Misy ihany koa nefa ireo sokajin’olona ny hatsiaka avy amin’ny « glaçon » no manampy azy mampisinda haingana kokoa ny « courbatures ». Fonosina anaty lamba ny « glaçon » ary iny no apetaka eo amin’ny faritra marary.

Ireo torohevitra hisorohana ny « courbatures »

Tsara kokoa ny misoroka ny « courbatures » mihoatra ny mampitony azy. Mba isorohana azy ireny ary dia :
-Afanaina tsara ny vatana sy ny hozatra alohan’ny hanaovana fanatanjahantena. Izany hoe manao « échauffement » tsara aloha ;
-Rehefa vita ny kotrana dia tsy adinoina ny manao « étirements » tsara mba tsy hampivokona ny hozatra ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana mba hanatsarana ny fiasan’ny hozatra sy hiarovana azy ireny tsy ho mora andairan’ny « courbatures ».

Lire la suite

Articles Similaires