Fantatrao ve fa misy fiantraikany amin’ny toe-po ny sakafo hoaninao ?
Matetika isika dia mieritreritra fa ny sakafo dia mifandray amin’ny lanja sy ny fahasalamana ara-batana fotsiny ihany. Raha ny marina anefa, ny zavatra hohanintsika dia misy fiantraikany mivantana amin’ny fiasan’ny atidoha sy ny toe-po ihany koa. Ny fahatsapana reraka, mora tezitra, mitebiteby, na koa mazoto sy falifaly… dia mety ho vokatry ny sakafo hoanintsika isan’andro avokoa.
Ny fifandraisan’ny sakafo sy ny atidoha
Mila otrikaina manokana ny atidoha mba hiasa tsara. Misy sakafo manampy amin’ny famokarana “neurotransmetteurs”, izay singa mifehy ny toe-po, toy ny « sérotonine » (antsoina hoe “hormonina mampifaly”).
Ohatra:
-Ny « oméga-3 », izay hita amin’ny trondro matavy, voanjo, voa, dia manampy ny fahasalaman’ny atidoha,
-Ny vitamina B, hita amin’ny anana maitso, « céréales complètes », voamaina…, dia manampy amin’ny « équilibre nerveux »,
-Ny proteinina dia ilaina amin’ny famokarana ireo singa mifehy ny fihetseham-po.
-Noho izany, ny sakafo voalanjalanja dia manome hery ho an’ny vatana sy ny saina.
Ny voka-dratsin’ny sakafo tsy voalanjalanja eo amin’ny toe-po
Raha tsy mety kosa ny safidy ara-tsakafo na hoe sakafo tsy voalanjalanja, dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny toe-po.
Ny sakafo be siramamy sy ny vokatra voaodina dia mety hampiakatra tampoka amin’ny tahan’ny siramamy ao anaty ra, sy ny fidinan’izany tampoka. Izany moa dia mety hiteraka:
-Havizanana tampoka,
-Mora tezitra,
-Fahatsapana tebiteby,
-Olana amin’ny fifantohana.
Na dia tsy hita avy hatrany aza, dia mety haharitra ireo vokany ireo.
Ny anjara toerana lehibe ananan’ny tsinay
Ankehitriny dia betsaka ny resaka momba ny fifandraisan’ny tsinay sy ny atidoha, izay antsoina hoe “axe intestin-cerveau”. Ny “microbiote intestinal”, na ireo bakteria tsara ao amin’ny tsinay, dia tena ilaina amin’ny fitazonana ny filaminan’ny toe-po. Raha voalanjalanja tsara izy io dia afaka mampihena ny rarintsaina, manatsara ny torimaso ary manampy amin’ny fitoniana ara-pihetseham-po.
Mba hitazonana izany àry dia ilaina ny :
-Mihinana sakafo manankarena fibres (voankazo, legioma, voamadinika),
-Mihinana sakafo masirasira (yaourt, anana na legioma masirasira).


