• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm/Mae
Image
Vaovao

Diplaomasia : Nanolotra ny taratasy manendry azy teny Iavoloha ny Masoivohon’i Alzeria sy Kôrea

21/02/2024 15:54 © Moov.Mg

Masoivoho avy amin’ny firenena roa samy hafa androany no tonga nanatitra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasika, tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Ny Masoivoho vaovaon'ny Repoblika alzeriana demokratika etim-bahoaka, Andriamatoa Filali Ghouini no voalohany tamin’izany. Raha ny fifamatoram-piaraha-miasa teo amin’i Alzeria sy Madagasikara dia efa an-taonany maro no nisiany. I Alzeria mantsy no firenena voalohany nanana masoivoho teto amintsika. Nivoitra tao anatin’ny dinika fa hohamafisina bebe kokoa ireo sehatra ahafahana miara-miasa, indrindra eo amin'ny lafiny ara-toekarena, ny fifandraisana ara-barotra sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary ny fampianarana ambony sy ny fanofanana arak'asa.

Harena voajanahary

Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy, tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ihany koa, ny masoivohon’i Korea, Ramatoa Park Ji-hyun. Nambarany tao anatin’ny dinika fa manana tombony manokana i Madagasikara raha samy firenena, noho ny fananany harena voajanahary sy harena arak’olona. Ny sehatry ny fambolena, ny fanabeazana sy ny fanofanana arak’asa no tena hiarahan’ity firenena ity miasa amin’i Madagasikara. Talohan’ny fihaonany tamin’ny Filoham-pirenena androany, dia efa nanatitra ny dika mitovin’izany taratasy fanendrena izany teny amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ihany koa, ramatoa Park Ji-hyun, omaly.

Lire la suite

Articles Similaires