• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Haromontana na « rage » : areti-mandoza nefa azo sorohina !

16/02/2024 11:14 © Moov.Mg

Aretina efa fahenontsika matetika ny haromontana na « rage ». Ny kaikitry ny alika no anisany tena mamindra ity aretina ity amintsika olombelona. Areti-mandoza ary mety mahafaty haingana izy io raha tsy voatsabo ara-potoana. Azo sorohana tsara kosa nefa izany aretina izany.

Inona no atao hoe aretina haromontana ?

Ny haromontana dia aretina iray azo avy amin’ny kaikitry na ny rangotry ny biby, indrindra ny alika. Ny roran’ilay biby no mitahiry ny viriosy mahatonga ny haromontana ka mamindra izany amin’ny olombelona. Ankoatra ny alika dia mety mamindra izany aretina izany ihany koa ny saka, ramanavy…
Ankoatra ilay ratra vokatry ny kaikitra na ny rangotra eo amin’ny vatana dia tsy misy fambara ivelany ny haromontana amin’ny voalohany. Ny atidoha no tafihany sy simbain’ilay viriosy. Izany dia mitarika fikorontanana amin’ny fiasan’ny fo sy ny taovam-pisefoana.
Andro vitsy na volana aoriana dia miparitaka amin’ny vatan’ilay olona ny haromontana ary eo vao miseho ireo fambara hita maso. Anisan’izany ny :
-Fanaviana ;
-Aretina an-doha ;
-Fikaikonan’ny hozatra ;
-Fikorontanana ara-tsaina, « hallucinations » ;
-Famokarana rora be loatra ;
-Havizanana ;
-Fahasahiranana mitelina ;
-Fahatahorana rano sy rivotra ;
-Fitaintainana tsy hay fehezina.
Rehefa mitranga ireo fambara ireo dia mety mitarika amin’ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) sy ny fahafatesana ao anatin’ny ora na andro vitsy ny aromotana. Matetika, amin’ny 99% an’ireo tranga, dia tsy misy fanafana intsony ny aretina rehefa miseho ireo fambara ireo.

Ny fomba atao hisorohana ny haromontana

Mora mihanaka amin’ny vatana ny aretina haromontana ka raha taraiky ny fandraisana an-tanana dia mety ho faty anatin’ny andro na volana vitsy ny marary. Ny fisorohana no fomba mahomby indrindra hiadiana amin’ity areti-mandoza ity. Voalohany indrindra amin’izany ny fanaovana vaksiny fanefitry ny haromontana ny alika sy saka ompiana.
Raha sendra voakaikitry ny alika :
-Sasana tsara amin'ny rano madio sy savony ilay faritra voakaikitra ;
-Tsy trohana na potserina ilay ratra ;
-Manantona mpitsabo avy hatrany mba hanaovana fitiliana sy hanamarinana ny mety ho fisian’ilay viriosy. Misy vaksiny atao eny amin’ny toeram-pitsaboana na eny amin’ny « Institut Pasteur » mba hiarovana ilay olona voakikitry ny alika amin’ny ny aretina haromontana. Misy karazany 5 ireo vaksiny atao ary tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany.

Lire la suite

Articles Similaires