• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsante
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny areti-tenda sy ny fitsaboana izany

09/02/2024 11:50 © Moov.Mg

Isan’ireo aretina mateti-pitranga mandritra ny andro mangatsiaka ny areti-tenda. Misy karazany maro moa izy ireny, ao ny « laryngite », ny « pharyngite » ary ny « angine ». Ahoana ny fomba fisehon’ireo karazana areti-tenda ireo ary inona ny fitsaboana azo atao ?

Ireo karazana areti-tenda mitranga matetika

Aretina efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny areti-tenda satria mety voan’izany avokoa na ny ankizy, ny tanora na ny olon-dehibe. Maro amintsika moa no tsy mahafantatra fa misy karazany maro ny areti-tenda. Miankina amin’ny faritra voakasik’ilay otrik’aretina moa no karazana areti-tenda mahazo ilay olona.
Raha toa ka ao amin’ny « larynx » na lohatraoka no tratri’ilay aretina dia voan’ny « laryngite » izany ilay marary. Ity karazana areti-tenda ity no mahatonga ilay olona ho farim-peo na tsy mahatavaoaka feo mihintsy rehefa miteny. Tsy manaintaina izy io ary matetika sitrana ho azy.
Raha ny « pharynx » no misy ilay otrik’aretina dia izay no antsoina hoe « pharyngite ». Miseho amin’ny alalan’ny fanaintainana mafy rehefa mitelin-drora ity karazana areti-tenda ity. Raha azo avy amin’ny viriosy izy io dia matetika miaraka amin’ny sery (rhinite) ka izay no atao hoe « rhino-pharyngite ».
Raha toa kosa ka eo amin’ny « amygdales » no tratry ny areti-tenda dia « angine » no iantsoana izany. Rehefa voan’izany ny olona iray dia marary ny tenda rehefa mitelin-drora sy rehefa mitelin-kanina. Mety hivaramena na hisy faritra fotsifotsy hita eo amin’ny « amygdales ». Mety somary mivonto ihany koa ireto farany.

Ny antony mahatonga ny areti-tenda

Samy manana ny antony mety mahatonga azy ireo karazana areti-tenda notanisaina ireo.
Ny « laryngite » dia mety azo amin’ny otrik’aretina. Matetika izany dia avy amin’ny « bactérie » fa mety ihany koa entin’ny viriosy. Eo amin’ny olon-dehibe dia mety vokatry ny fampiasana be loatra ny hoza-tenda no mahatonga azy, toy ny nihirahira na nikikiaka mafy nandritra ny alina na ny omaly.
Ny « pharyngite » ihany koa dia mety ho azo avy amin’ny otrik’aretina toy ny « bactérie » na ny viriosy. Mety mitarika ity areti-tenda ity ihany koa ny fifampikasoana amin’ny singa mahatonga « allergie » ao amin’ny tenda, toy ny loto, toaka, setroka sigara…
Ny « angine » dia areti-tenda matetika azo avy amin’ny viriosy ary ny ankizy no betsaka tratran’izy io. Mahalana ihany ny « angine » vao vokatry ny « bactérie ». « Bactérie » amin’ny karazany « streptocoque » no mahatonga azy.

Ny fomba fitsaboana ny areti-tenda

Matetika ny areti-tenda vokatry ny viriosy dia sitrana ho azy. Misy kosa nefa ny fomba fampitoniana ny fanaintainana azo atao, toy ny fanaovana gararaka amin’ny ranon-tsira, ny fisotroana rano matimaty betsaka mandritra ny tontolo andro, ny fisotroana dite misy tantely… Raha manavy ilay olona dia omen’ny mpitsabo fanafody mampidina hafanana. Raha toa ka avy amin’ny « bactérie » kosa no mahatonga ny areti-tenda dia mila mampiditra « antibiotique » ny mpitsabo satria mety hiombo ilay aretina raha tsy voatsabo ara-dalàna.

Lire la suite

Articles Similaires