• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Haute Autorité De Santé
Image
Reny&Zaza

Ireo hevitra diso vitsivitsy mikasika ny fanabeazana aizana

05/02/2024 09:11 © Moov.Mg

Fomba iray ahafahana misoroka ny vohoka tsy niriana ny fanabeazana aizana. Maro nefa ireo misafidy ny tsy hampiasa azy ireny noho ny tahotra ireo hevitra diso vohizina eny amin’ny fiarahamonina eny. ‘Ndeha ary ho fantarina sy ho ahintsy ireo hevitra diso faheno mikasika ny fanabeazana aizana.

Mampatavy hono ny pilina fanabeazana aizana

Maro ny vehivavy mitaraina fa nihanatavy vao nihinana pilina fanabeazana aizana. Marina tokoa fa eo amin’ny vehivavy sasany dia mety mampisokatra vavony ny fihinana pilina fanabeazana aizana. Tsy ilay pilina izany no mampatavy fa izy ilay mampazoto homana. Raha toa izany ka tsy mahavita mifehy tena sy mitsakotsako lava ilay vehivavy mampiasa azy dia mety hahazo aina vetivety.

Manasarotra ny fahazoana zaza rehefa any aoriana hono ny fanabeazana aizana mampiasa fanafody

Misy karazana maro ny fanabeazana aizana mampiasa fanafody raha tsy hitanisa afa-tsy ny pilina, ny « implant » sy ny tsindrona. Re matetika eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe manasarotra ny fahazoana zaza hono izy ireny any aoriana rehefa maniry hiteraka amin’izay ilay vehivavy. Diso tanteraka izany satria mampiato amin’ny fotoana voafetra ny fahafahana mitoe-jaza fotsiny ihany ny asan’izy ireny, izany hoe manampy amin’ny fandrindrana ny fiterahana. Afaka miteraka ny vehivavy raha vantany vao ajanona ny fampiasana azy ireny. Miankina amin’ny toe-batan’ny tsirairay kosa nefa izany satria misy ireo tonga dia bevohoka ary misy ireo maharitra volana maromaro vao mitoe-jaza.

Mahatonga « infections » hono ny « stérilet »

Tsy mahatonga na mampiforona « infections » velively ny « stérilet ». Mety mampihombo ny « infections » any amin’ny « trompes » kosa nefa izy io raha sendra tratran’ny « infections » ilay vehivavy mampiasa azy. Noho izany dia tsy tsara ampiasain’ny vehivavy matetika misy « infections » na miaraka amin’ny lehilahy maro ity karazana fanabeazana aizana ity.

Ny vehivavy ihany no natao hanao fanabezana aizana

Maro tokoa eto amintsika no mihevitra fa ny vehivavy irery ihany no afaka manao fanabeazana aizana. Marihana fa misy karazany maro ireo fomba fandrindram-piterahana ary misy amin’izy ireny no natao ho ampiasain’ny lehilahy. Anisan’izany ohatra ny fampiasana fimailo na ny fampiasana « spermicide » ho an’ireo izay mbola maniry hiteraka rehefa any aoriana. Ho an’ireo lehilahy tapa-kevitra ny tsy hiteraka intsony kosa dia ny « vasectomie » no fanabezana aizana sahaza azy ireny.

Manala zaza hono ny fanabeazana aizana

Ny fomba fanabeazana aizana rehetra dia miasa amin’ny fanakanana ny tsirin’aina (spermatozoïde) mba tsy hitambatra amin’ny atody (ovule). Mazava ho azy fa rehefa tsy mitambatra ireo voalaza ireo dia tsy misy vohoka miforona velively. Izany hoe tsy manala zaza no fanabeazana aizana fa misoroka indrindra ny vohoka tsy niriana.

Lire la suite

Articles Similaires