• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Salut Bonjour
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « poulet cordon bleu »

31/01/2024 11:50 © Moov.Mg

Nahandro fahitantsika eny amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny ny « cordon bleu ». Raha azavaina amin’ny fomba tsotsotra dia hena mifono fromazy ao anatiny ny atao hoe « cordon bleu » amin’ny ankapobeny. Mazava ho azy fa misy karazana ny fanaovana azy ka fomba fikarakarana « poulet cordon bleu » no atoro eto.

Ireo akora ilaina raha hanao « poulet cordon bleu »

-Nofon’akoho 500 g ;
-« Jambon » 170 g ;
-Fromazy 120 g ;
-Atody 1 ;
-« Chapelure » ;
-Lafarina 150 g;
-Sira ;
-Menaka.

Fomba fikarakarana ny « poulet cordon bleu »

Tetehana somary manify sy lehibe velarana ny nofon’akoho. Apetraka eo ambonin’ny nofon’akoho ny fromazy raviny toy ilay fampiasa amin’ny « humberger » ireny. Raha fromazy tsotra no misy dia tetehana fisaka izany ary mametraka singany iray eo ambonin’ny nofon’akoho. Apetraka manarak’izay ny « tranche de jambon ». Rehefa vita izay dia avalona roa ilay nofon’akoho mba hihidy ao ireo fangaro.
Kapohana ao anaty lovia jobo ny atody nasiana sira. Araraka ao anaty lovia fisaka iray ny « chapelure ». Atao anaty lovia fisaka iray hafa ny lafarina. Atsoboka kely anatin’ny lafarina ny nofon’akoho. Avy eo atsoboka ao anatin’ny atody. Ary farany atsoboka ao amin’ny lovia misy « chapelure ».
Hafanaina anaty lapoaly ny menaka. Endasina ao ny « cordon bleu ». Rehefa miova loko dia avadika amin’ny lafiny ilany indray.

Lire la suite

Articles Similaires