« Chocolat » : maro ny vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana azy
Anisan’ny sakafo ankafizin’ny be sy ny maro ny « chocolat » na sôkôla noho izy tsara tsiro. Maro ireo vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana azo avy aminy. Etsy andaniny nefa mety misy ihany koa ireo vokadratsy amin’ny fihinanana azy ireny. Araho ange e !
Sakafo mitahiry singa maro ilain’ny vatana ny « chocolat »
Ny « chocolat », indrindra ny « chocolat noir », dia sakafo manankarena « antioxydants ». Ireto farany dia manampy betsaka amin’ny fiarovana ny sela ao amin’ny vatana. Ankoatra izay dia ahitana « minéraux » toy ny « potassium », « magnésium », « fer » ny sôkôla. Misy singa antsoina hoe « flavonoïdes » ihany koa ao aminy. Ny « flavonoïdes » dia miasa amin’ny fampitoniana ny fanaintainana sy amin’ny fisorohana ny rarin-tsaina.
Ireo vokatsoa azo avy amin’ny « chocolat »
Satria mitahiry singa maro ilain’ny vatana ny « chocolat » dia mazava loatra fa mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana izany ny fihinanana azy. Anisan’izany ny :
-Manampy amin’ny fisorohana ireo aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-drà ;
-Fanatsarana ny fikorinan’ny rà sy ny fiasan’ny atidoha ;
-Mampihena ny rarin-tsaina sy ny tebiteby ;
-Fanatsarana ny toe-po ;
-Une amélioration de l'humeur.
Ankoatra ireo vokatsoa ara-pahasalamana moa dia manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitadidiana ny sôkôla. Voalaza ihany koa fa isan’ireo sakafo « aphrodisiaques » izy ireny.
Ireo mety ho vokadratsy azo avy amin’ny fihinanana sôkôla
Tsara ny mampahafantatra fa sakafo iray mitahiry tavy sy siramamy ihany koa ny « chocolat ». Ny fihinanana azy be loatra dia mety hisy fiantraikany ratsy ho an’ny fahasalamana. Anisan’izany ny hatavezana, ny fampitomboana ny tahan’ny « cholestérol », ny diabeta…
Atao amin’ny antonony noho izany ny fihinanana sôkôla fa tsy azo atao be loatra, izany hoe tsy tokony hihoatra ny 28 grama isan’andro. Tandremana ihany koa mba ho « chocolat noir » no hoanina satria ny « chocolat au lait » sy ny « chocolat blanc » dia ahitana siramamy sy tavy amin’ny tahany ambony kokoa.