• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hot Thai Kitchen
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fikarakarana tsa-tsiou

31/08/2023 16:48 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo be mpankafy eto amintsika ny tsa-tsiou na ilay antsoin’ny sinoa hoe « char siu » na « tsah siou ». Miavaka tokoa moa ity karazana sakafo ity noho izy hena mamy-masira. Azo hanaingoana nahandro samihafa fa afaka hoanina amin’izao ihany koa izy ity. Atoro anao eto ary ny fomba tsotra fikarakara tsa-tsiou, tsy mampiasa lafaoro.

Ny zavatra ilaina amin’ny fanaovana tsa-tsiou

-Soron-kisoa (échine de porc) 500 g ;
-Menaka ;
-Tongolo gasy ;
-Sakamalaho ;
-Sauce soja 3 sotrokely ;
-Tantely 2 sotro fihinanana ;
-Sira ;
-4 épices (hita eny amin’ny pavillon na eny amin’ny mpivarotra épices) ;
-Colorant alimentaire mba hanomezana ilay loko somary menamena ilay tsa-tsiou.

Fomba fikarakarana tsa-tsiou

Homanina ny sauce handomana ny tsa-tsiou. Totona ny tongolo gasy sy ny sakamalaho mba hitera-drano. Atao anaty bol ary arotsaka ao ny tantely, ny menaka, ny sira ary ny 4 épices. Raha tiana mbola ho mamy kokoa ny tsa-tsiou dia afaka ampiana siramamy mena 1 sotro fihinanana. Arotsaka ihany koa ny colorant alimentaire ary afangaro tsara ny sauce.
Sasana ary avela hitsika tsara ny sorin-kisoa avy eo tetehana atao somary manify. Afaka avela mivongana ihany koa fa tsy tetehana, arak’izay itiavana azy. Atao anaty koveta sahaza ny habeny ary arotsaka ao ilay sauce namboarina teo aloha. Atao mahazo ilay sauce tsara avokoa ilay hena ary avela hilona mandritra ny alina tontolo. Tondrahana ilay sauce matetika ny hena mandritr’ilay izy milona iny mba ho tafiditra tsara ao anatiny ny tsiro.
Ny ampitso, atao anaty vilany na lapoaly jobo ireo fangaro rehetra. Asiana rano iray kaopy ary ataingina eo ambony afo malefaka. Avela ho mendimendy tsara. Rehefa hita fa manomboka ritra ka mitsetsatsetsa ny vilany dia avadibadika ny hena. Somary akasokasoka amin’ny vilany ity farany mba hahazo loko tsara ny lafiny rehetra.
Torohevitra : Azo ampidirina lafaoro na koa atsatsika amin’ny barika misy afo izy ity karazana nahandro ity. Raha atao anaty lafaoro dia andrahoina amin’ny hafanana 200°C mandritra ny adiny iray eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires