• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cometh
Image
Fahasalamana&Sakafo

Famantarana ny tsy fahampian-drà raha mbola tsy misy fitiliana

01/04/2026 14:25 © Moov.Mg

Ny tsy fahampian’ny « fer » dia iray amin’ireo olana ara-tsakafo fahita indrindra maneran-tany. Afaka mahazo ny olona rehetra izy io, saingy matetika hita amin’ny vehivavy, ny ankizy ary ireo olona tsy voalanjalanja tsara ny sakafony. Na dia ny fitiliana ra aza no fomba azo antoka indrindra hamantarana azy, dia misy ihany ireo famantarana hita amin’ny vatana afaka mampitandrina mialoha.

Ireo soritr’aretina hita amin’ny vatana

Matetika ny vatana dia mandefa famantarana rehefa tsy ampy « fer ». Isan’ireo fahita:
-Havizanana tsy mety lefy : reraka foana na dia efa natory tsara aza,
-Hatsatra ny hoditra : tarehy, molotra na ao anatin’ny hodi-maso,
-Mora sempotra : rehefa manao ezaka kely, ohatra miakatra tohatra,
-Fanina na torana kely : indrindra rehefa mitsangana tampoka,
-Aretin’andoha matetika : noho ny tsy fahampian’ny oksizena any amin’ny atidoha.

Fiovana hita ivelany

Mety hiseho amin’ny endrika hita maso ihany koa ny tsy fahampian’ny fer :
-Volo mora tapaka na mihintsana,
-Hoho mora vaky na miova endrika,
-Hoditra maina na mikomavoka,
-Triatra ny eo amin’ny zoron’ny molotra.
Matetika ireo soritr’aretina ireo dia miseho tsikelikely ka sarotra indraindray ny mahatsikaritra azy avy hatrany.

Soritr’aretina tsy dia mahazatra

Misy ihany koa famantarana tsy dia fantatra na tsy dia tsikaritra loatra nefa manan-danja :
-Faniriana hihinana zavatra tsy sakafo (toy ny tany, taratasy na ranomandry),
-Sarotra mifantoka,
-Mora tezitra na miova toe-po,
-Mahatsiaro mangatsiaka foana.

Ireo olona mety ho tratran’izany kokoa

Misy sokajin’olona mila mitandrina manokana :
-Vehivavy be fadimbolana,
-Vehivavy bevohoka,
-Olona tsy mihinana hena nefa tsy mandanjalanja tsara ny sakafony,
-Tanora eo am-pitomboana,
-Olona manana olana amin’ny fandevonan-kanina.

Inona no tokony hatao raha misy ahiahy ?

Na dia afaka manondro tsy fahampian’ny « fer » aza ireo famantarana ireo, dia tsy ampy hanaporofoana azy tanteraka izany. Raha misy ahiahy dia tsara raha :
-Amboarina ny sakafo : mihinana sakafo manankarena « fer » toy ny voanemba, anana maitso, hena mena na voankazo maina,
-Ampifandraisina amin’ny vitamina C : hanatsarana ny fandraisan’ny vatana ny « fer » dia mila mihinana sakafo misy vitamina C toy ny voasary, voatabia, sakay…,
-Manantona mpitsabo raha mbola mitohy ny soritr’aretina.

Lire la suite

Articles Similaires