Tazomoka : ireo fahadisoana matetika mitarika fahasarotan’ny aretina
Mbola isan’ireo aretina mahavoa olona maro sy mandripaka eto amintsika ny tazomoka. Na dia efa maro ary aza ireo karazana fanentanana amin’ny fisorohana sy fiadiana amin’ity aretina ity dia mbola betsaka ihany ireo tranga misy. Ankoatra izay dia mbola maro ireo tranga ahitana fahasarotana noho ny tsy fahalalana sy tsy fitandremana. ‘Ndeha ho resahana eto àry ireo fahadisoana mila tandremana mba hisorohana ny fahasarotan’ny aretina tazomoka.
Miandry ela loatra vao manatona dokotera
Ny hadisoana mahazatra indrindra mampitombo ny fahasarotan’ny aretina tazomoka dia ny fanamaivanana ireo soritr’aretina voalohany toy ny tazo, aretin’andoha, fahatsapana mangovitry ny hatsiaka, na harerahana lalina. Maro no mihevitra fa gripa tsotra fotsiny izany na aretina hafa tsy dia atahorana. Marihana nefa fa mety miharatsy ao anatin’ny andro vitsy monja ny tazomoka. Ny fahataran’ny fanantonana mpitsabo dia mampitombo be ny « risques » hampisy fahasarotana lalina, indrindra eo amin’ny ankizy sy ny bevohoka.
Manao dokotera tena
Fahadisoana isan’ny be mpanao eto amintsika ny fanaovana dokotera tena. Maro moa ny antony mety mahatonga izany, ny tsy fahalalana, ny tsy fisian’ny enti-manana, ny halaviran’ny toerana misy mpitsabo na tobim-pahasalamana… Marihana nefa fa mety mampidi-doza ny fampiasana fanafody tsy nahazoana alalana tany amin’ny dokotera. Ny fanafody tsy ampy na tsy mety dia mety hampihena ireo soritr’aretina fotsiny nefa tsy mamono ilay tsimok’aretin’ny tazomoka. Mety hiteraka fanoherana ny fanafody ihany koa moa izany ka hanasarotra ny fitsaboana amin’ny ho avy.
Tsy manaraka tsara ny fitsaboana
Antony iray lehibe mety mitarika fahasarotana eo amin’ny aretina tazomoka ny tsy fanarahana tsara ny fitsaboana omen’ny dokotera. Misy tokoa mantsy ny olona sasany tsy manohy hatramin’ny farany ny fanafody fa manajanona izany vao mahatsapa fa mijanona ireo soritr’aretina. Hadisoana lehibe izany satria ny fitsaboana tsy feno dia mety hiteraka fiverean’ny aretina na hitazona ilay tsimok’aretina ao amin’ny vatana ka hitarika olana lehibe kokoa.
Mihevitra fa tsy ho tratra intsony
Misy amin’ireo olona any amin’ny faritra ahitana tazomoka matetika no mihevitra fa tsy ho tratra intsony rehefa voan’ity aretina ity imbetsaka. Tsy marina nefa izany. Mandritra ny fotoana fohy ihany ny fiarovana azo avy amin’ny fanafody nitsaboana ny aretina tazomoka. Noho izany dia mbola mety ho voa any aoriana ary indraindray aza amin’ny endrika mampidi-doza kokoa.




