• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 14 hatramin’ny 20 Aogositra 2023

21/08/2023 00:03 © Moov.Mg

Zaraina aminao indray ireo vaovao nafana nandritra ny herinandron’ny 14 Aogositra. Tao ireo tranga ara-politika, tao ihany koa ireo trangam-piarahamonina samihafa.

Romy Voos Andrianarisoa : Nahato tamin’ny asany

Anisan’ny vaovao nanaitra ny maro nandritra iny herinandro iny ny raharaha Romy Andrianarisoa, Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Raha hitodiana ny zava-misy dia voaroiroy tamin’ny resaka kolikoly izay saika ho atao tamina orinasa anglisy iray mpitrandraka vatosoa, Gemfields, izy sy ny vahiny iray mpiara-miasa aminy Philippe Tabuteau.

Saika hakan’izy ireo vola mitentina 225 000 Livres Sterling na 1 300 00 000 ariary ity orinasa ity. Nangatahan’izy ireo ihany koa ny ahazoana petra-bola 5% amin’ny tetikasa rehetra izay ho ataon’ity orinasa ity eto Madagasikara. Manoloana ny zava-misy dia nanapa-kevitra ny hampiato azy amin’ny asany ny avy eo amin’ny fiadidiana ny repoblika. Ny 8 Septambra ho avy izao no andrasana ny fitsarana azy ireo any Southwark Crown Court.


Copyright Image : © Financial Times

Afon'ny Lalaon'ny Nosy : Tonga tao Toamasina omaly

Ankafaliana no nandraisin'ny vahoakan'i Toamasina ny afo olimpikan'ny lalaon’ny Nosy 2023 omaly alahady 20 aogositra. Tomefy olona ny arabe ary herivelona maro no nandray anjara tamin'ny fitsenana ity afo ity mba hampiredareda ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana ho an'ny lalaon'ny Nosy andiany faha-11. Nofaranana tamin'ny afomanga lehibe sy fampisehoana teny amin'ny Avenue de l'indépendance ny lanonana.


Copyright Image : © Commune Urbaine Toamasina

Bakalorea 2023 : Ny alahady tolakandro vao nivoaka ny valim-panadinana ho an’Antananarivo

Ny Alakamisy 17 Aogositra lasa teo no tokony nivoaka ny valim-panadinana bakalorea ho an’Antananarivo. Vokatry ny tsy fandohavana ny tambin-karaman’izy ireo efa nanomboka ny taona 2018 dia nanapa-kevitra ny hitokona ireo mpampianatra mpitsara, ary tsy nanaiky ny hiroso amin’ny « délibération » raha tsy mivoaka ny taratasy manamarina ny “vacation”
Nanantona ny filohan’ny Oniversite ny solontenan’ireo mpitsara fanadinana, ary nangataka fanazavana momba ny tambin-karaman’izy ireo. Taorian’ny fifampiraharahana dia nisy ireo mpampianatra nanaiky ny hiroso tamin’ny « délibération ». Omaly Alahady 20 Aogositra araka izany no nivoaka ny valim-panadinana bakalorea ho an’Antananarivo. Fantatra ary fa 57,31% ny taham-pahafahana tamin’ny ankapobeny tamin’ity taona ity, araka ny tatitra nataon’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony.


Copyright Image : © Marotia

Andry Rajoelina : Nanokana fotodrafitrasa maro tany Atsimo Andrefana

Fotodrafitrasa maro no notokan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny diany tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana iny. Tafiditra tao anatin’izany fotodrafitrasa notokanana izany ohatra ny ampahan-dàlana amin’iny làlam-pirenena faha-sivy iny, izay mitotaly 164 km. Ankoatra izay dia nosokafana tamin’y fomba ofisialy ihany koa ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky, izay mirefy 878 metatra.
Teo ihany koa ny fanokanana ny « Hôtel des finances », ny biraon’ny polisim-pirenena sy tsena vaovao roa. Fa anisan’ny tena nandrasan’ny maro ny fisokafan’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Toliara, izay tsiahivina fa seranam-piaramanidina lehibe indrindra eto Madagasikara aorian’ny eny Ivato. Efa hanomboka hamokatra herinaratra ihany koa manomboka izao, ilay tombim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Betsinjaka Toliara. Manana tanjaka 2,9 MWc izy io, ary tokatrano miisa 6 324 no hahazo tombotsoa amin’izany.


Copyright Image : © PRM

Hery Rajaonarimampianina - Nahatanteraka fitsidihana maro

Nihaona sy nifanakalo hevitra tamin'ny vahoaka maro i Hery Rajaonarimampianina. Ireto avy ny faritra nandalovany tamin'iny herinandro lasa iny : SAMBAVA - ANTALAHA - ANDAPA - ANTSIRABE NORD - AMPANEFENA - VOHEMAR - AMBILOBE. Nisedra olana izy tamin'ny fahafahana mamory vahoaka, ka nanao antso avo ny amin'ny mba hanajana ny fahalalahana. "Maro ny sakantsakana, fampihorohorona ary herisetra natao tamiko sy delegasiona niaraka tamiko sy tamin'ny vahoaka hiaona tamiko, nandritra ny fitsidiham-paritra nataoko tany amin'ny faritra Atsimo Atsinanana sy tany amin'ny tapany avaratry ny Nosy" hoy ny tenany tao amin'ny pejiny.


Copyright Image : © HR2023

Marc Ravalomanana : Niverina tamin’ny laoniny ny pejy Facebook-ny

Raha hiverenana ny zava-nisy dia ny 31 jolay lasa teo no nisy horonan-tsary vetaveta nivoaka teo amin’ny pejy Facebook ofisialin’i Marc Ravalomanana. Avy hatrany dia tsy tafiditra tamin’ilay kaonty facebook intsony ireo « admin » ny pejy taorian’ny nivoahan’ity publication mamoafady ity. Nandeha ary ny resaky ny mpanao Facebook avy eo fa mpankafy irony horonan-tsary mamoafady irony ny filohan’ny antoko TIM. Azo lazaina ho fanalambaraka araka izany, no tanjona tamin’ny « piratage » izay natao tamin’ity pejy ity.
Ny 17 Aogositra lasa teo kosa dia nanao fanambarana ity filoha teo aloha ity fa efa miverina amin’ny laoniny ny pejy Facebook-ny. Efa afaka manaraka ireo vaovao farany mahakasika an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko politika TIM araka izany ireo mpanara-dia azy. Nanotrona ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM moa i Marc Ravalomanana, sady nanararoatra nitafa tamin’ny vahoaka tao Brickaville.


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Lozam-pifamoivoizana - Mpiasan’ny ministeran’ny asa vaventy roa no namoy ny ainy

Anisan’ny tranga mampalahelo niseho tamin’iny herinandro iny ny nahafatesana mpiasan’ny ministeran’ny Asa Vaventy miisa roa. Talem-paritry ny Asa Vaventy Analamanga sy Chef de service ny ministera izy ireo.
Tao Antsoatany Antsirabe no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity ny alahady 13 Aogositra lasa teo. Araka ny fanazavana dia vaky kodiarana ilay fiara 4x4 nitondra azy ireoka nivadika ambony ambany. Maty tsy tra-drano moa izy ireo.


Copyright Image : © MTP

Nihaona tamin’ny Papa François i Andry Rajoelina

Ny 17 Aogositra teo ihany koa no nihanona tamin’ny Papa Ray Masina François i Andry Rajoelina, izay marihina fa fihaonana fahatelo teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny lohahevitra noresahana nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, izay miompana amin’ny asa fanasoavana ny vahoaka. Hisy araka izany ny fifanvaon-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
Ankoatra ny lafiny ara-diplomatika dia nanamarika ny fotoana ihany koa ny vavaka sy ny tso-drano nataon’i Papa ho an’ny filoha Andry Rajoelina manokana sy ny fianakaviany ary ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Na dia mbola tsy nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny firotsahany ho kandida amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tokoa aza i Andry Rajoelina dia hita fa efa miomana amin’izany fifidianana izany ny tenany.


Copyright Image : © PRM

Baolina Kitra - Coupe du Président

Notanterahana omaly alahady 20 Aogositra 2023, teo amin'ny kianja BAREA Mahamasina, ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboaran'ny Filoha, taranja baolina kitra. Ny ekipan'Antananarivo ino voahosotra tompondaka nandritran'izany "Coupe du Président 2023" izany. Tafiditra ao anatin'ny fanandratana avo ny fanatanjahantena sy ny tanora Malagasy izao hetsika izao.


Copyright Image : © MJS

Taxi Moto - Ady amin’ny tsy fandriampahalemana

Nanomboka nahazo vahana tato ato ny tsy fandriampahalemana vokatry ny afitsok’ireo mitonona ho mpitondra taxi-moto sasany. Mpandeha maro, araka izany, no nitaraina fa voaendaka. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny hamerenana ny filaminana ny Vondron’ny Mpitatitra Taxi Moto (VMTM). Napetraka araka izany ny fiaraha-miasa teo amin’ny VMTM sy ny mpitandro ny filaminana.
Mpikambana 900 eo ho eo no mivondrona ao anatin’ny VMTM. Mbola misy nefa ny fisian’ireo mpitatitra taxi moto tsy ara-dàlana. Nisy ny fanadihadiana natao manoloana ireo fitarainana maro mahakasika ireo mpitatitra, ary fantatra tamin’izany fa tsy anisan’ireo mpikambana ao amin’ny VMTM ireo mampiorohoro sy manendaka ny mpandeha.
Tsy maintsy mitondra badge sy manao gilet manomboka izao ireo mpitatitra taxi moto ara-dalàna. Napetraka izany fandrindrana vaovao izany, mba hahafahana miaro ireo mpandeha fa ihany koa mba hialana amin’ny fanararaotana mety ho ataon’ireo mpitatitra tsy ara-dalàna.


Copyright Image : © Toky Ratovohery

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo