• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mamanpourlavie.Com
Image
Sexualité & Mariage

Ahoana no atao raha te hiteraka lahy kely na vavy kely ?

09/06/2023 10:38 © Moov.Mg

Azo atao ny misafidy hoe lahy kely na vavy kely ny zaza no ateraka. Tsy voatery handaitra 100% ny ireo fomba atao, nefa kosa efa maro ireo nanaraka izany ka nahazo ny zaza notadiaviny. Inona ary ireo fomba atao raha te hisafidy hoe lahy kely sa vavy kely no ateraka ?

Inona no mahatonga hoe lahy kely na vavy kely no miforona ao an-kibo ?

Alohan’ny iresahana ireo fomba atao raha te hiteraka lahy kely na vavy kely dia tsara raha fantarina hoe ahoana ny fiforonan’izy ireny ao an-kibo. Marihina fa avy amin’ny fikambanan’ny atao hoe « chromosomes » avy amin’ny tsirinaina lahy (spermatozoïdes) sy avy amin’ny atonaina ny vehivavy (ovule) no maha lahy na vavy ny zaza vao miforona ao an-kibo.
Ny chromosome avy amin’ny vehivavy, izany hoe ao amin’ny ovule, dia chromosome X foana. Ny tsirinaina lahy kosa dia mety mitondra chromosome X na chromosome Y. Rehefa mitambatra amin’ny chromosome X avy amin’ny vehivavy ny chromosome X avy amin’ny lehilahy dia mahazo vavikely. Raha toa kosa ka ilay chromosome Y no mikambana amin’ilay chromosome X avy amin’ny vehivahy dia lahy kely no miforona ao an-kibo.
Marihana fa ny chromosome X ao amin’ny tsirinaina lahy dia mandeha miadana ary ela vao tonga ao amin’ny atodinaina vavy. Maharitra hatramin’ny 3 andro ny fotoana mahavelona azy. Ny chromosome Y kosa dia haingam-pandeha fa kosa mora maty.

Mila kajina tsara ny fotoana hametrahana zaza raha te hiteraka lahy kely na vavy kely

Araky ny fanazavana teo aloha ireo dia mila kajina tsara ny fotoana hametrahana mba ahafahana misafidy hoe hiteraka lahy sa hiteraka vavy.
Raha te ahazo lahy na chromosome XY dia amin’ny fotoana maha lonaka na « ovulation » no manao firaisana ara-nofo. Ilaina mba hahazo fahafinaretana na misy « orgasme » ilay vehivahy. Ilay contraction mandritra ilay orgasme dia manampy ilay chromosome Y ho tonga haingana any amin’ny ovule. Atao lalina tsara ny taovam-pananahan'ny lahy rehefa lasa ny tsirinaina mba ho akaiky ny lalany mamonjy ny atodinaina vavy.
Raha toa kosa te hahazo vavy kely dia tsara raha 5 andro mialoha na ao aorian’ny fotoana maha lonaka ny vehivavy no manao firaisana ara-nofo. Ho faty aloha tokoa mantsy ireo chromosomes Y ka ambony kokoa ny chance ahatongavan’ny chromosomes X any amin’ny ovule. Tsara raha tsy misy orgasme ny vehivavy mandritra izany. Tsy atao milentika be ny filahiana mandritra ny éjaculation mba ho lavitra ny lalan’ny tsirinaina mankany amin’ny atodinaina vavy.

Misy ireo sakafo tsara hoanina sy tsara fadiana

Mandray anjara amin’ny fiforonan’ny zaza lahy na vavy ao an-kibo ihany koa ny sakafo hoanina. Voakasik’izany avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy mitady zaza.
Raha te ahazo lahy kely dia mila mifady taoka sy sigara ny lehihaly mandritra ny 10 andro mialoha ny fotoana maha lonaka ny vehivavy. Tsy manao fanatanjahantena sy zavatra mandreraka loatra ihany koa mandritra izany. Ny vehivavy kosa etsy andanininy dia mila mahery mihinana sakafo betsaka sodium sy potassium. Anisan’izany ny hena, trondro, charcuteries sy ireo karazan-tsakafo masira.
Raha te hiteraka vavy dia tsara raha manao fanatanjahantena sy zavatra mandany hery ny lehilahy mialoha ny fotoana maha lonaka ny vehivavy sy hametrahana ilay zaza. Mahazo misotro toaka sy mifoka sigara. Ny vehivavy kosa dia tsy tokony mihinana sakafo masira loatra. Ireo sakafo manankarena calcium no tsara hoanina. Ny legioma maitso ary ny sakafo misy ronono sy azo avy amin’ny ronono voaodina no atao betsaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo