• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cerveau & Psycho
Image
Sexualité & Mariage

Ireo honohono sy hevi-diso mikasika ny fahafinaretan’ny vehivavy

27/02/2026 15:47 © Moov.Mg

Mbola rakotra fahanginana sy fady maro ny resaka fahafinaretan’ny vehivavy, indrindra eto amintsika. Mbola betsaka noho izany ireo hevi-diso misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-nofon’ny vehivavy sy ny fomba fijerin’ny fiarahamonina izany. Zava-dehibe ny mandrava ireo finoana diso ireo mba hanampiana ny vehivavy hanana fiainam-pananahana salama, mazava ary mifototra amin’ny fanajana. Araho ary ny santionany amin’ireo hevi-diso faheno.

Saro-takarina sy mistery ny fahafinaretan’ny vehivavy

Matetika no lazaina fa “sarotra” na tsy azo takarina ny mikasika ny firaisana ara-nofo amin’ny vehivavy. Raha ny marina anefa, tsy sarotra noho ny an’ny lehilahy izy io fa tsy dia nodinihina sy noalalinina loatra ara-tsiansa fotsiny taloha.
Misy fototra ara-batana mazava ny fahafinaretan’ny vehivavy, indrindra ny « clitoris », izay vao tsy ela akory izay no tena voafaritra tanteraka ny firafiny. Io tsy fahampian’ny fahalalana ara-tsiansa io no niteraka ilay hevitra hoe mistery ny fahafinaretan’ny vehivavy.
Ny marina dia isan-karazany, manokana ary miova arakaraka ny olona sy ny toe-javatra ny fahafinaretana. Misy lafiny ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-pifandraisana mandray anjara amin’izany.

Ampy hahatratrarana « orgasme » ny « pénétration »

Io no isan’ireo hevi-diso faheno. Matetika asehon’ny sarimehitsika sy ny horonan-tsary ho an’olon-dehibe fa ny fanatsofohana (pénétration) irery dia ampy hahatonga ny vehivavy hahatratra « orgasme » na ny fahafinaretana faran-tampony.
Marihana nefa fa ny ankamaroan’ny vehivavy dia mila fanentanana mivantana na ankolaka ny « clitoris » vao mahatratra « orgasme ». Tsy mitovy amin’ny « clitoris », izay natao manokana ho an’ny fahafinaretana, ny fivaviana satria vitsy kokoa ny faritra misy fahatsapana ao aminy.
Ny marina dia tsy iray ihany ny lalana mankany amin’ny fahafinaretana eo amin’ny vehivavy. Samy manana izay mahafinaritra azy ny tsirairay, ary zava-dehibe ny fifampiresahana.

Misy olana ny vehivavy tsy mahatratra « orgasme »

Ny fiheverana fa ny « orgasme » no tanjona tsy maintsy tratrarina amin’ny firaisana ara-nofo dia mety hiteraka « pression » sy fanamelohan-tena. Misy vehivavy mila fotoana lava kokoa vao mahatratra « orgasme », misy kosa tsy mahatratra izany matetika, ary misy afaka mankafy firaisana na dia tsy misy « orgasme » aza.
Ny fikarohana nataon’ny manampahaizana momba ny fanabeazana ara-pananahana iray atao hoe Emily Nagoski, dia mampiseho fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny faniriana ara-nofo sy ny fahafinaretana ny toe-po, ny adin-tsaina, ny fahatsapana fiarovana. Tsy voafetra amin’ny « orgasme » ny fahafinaretana. Traikefa manontolo izy io.

Nahoana no ilaina ny mandrava ireo hevi-diso ireo ?

Misy fiaintraikany mivantana eo amin’ny fiainan’ny olona ny hevi-diso momba ny fahafinaretan’ny vehivavy : fanabeazana ara-nofo tsy ampy, tsy fahafaham-po amin’ny fifandraisana, tsindry (pression) ara-tsaina, ary tsy fahalalana ny vatana.
Ny fandravana ireo honohono ireo dia manampy amin’ny :
-Fahalalana bebe kokoa momba ny vatana sy ny fihetseham-po,
-Fifampiresahana mazava sy marina eo amin’ny mpivady,
-Fampihenana ny henatra sy ny fanamelohan-tena,
-Fananganana fiainam-pananahana malalaka sy mifototra amin’ny fanajana.

Lire la suite

Articles Similaires