Fanabeazana ara-nofo ny tanora: torolalana ho an’ny ray aman-dreny
Matetika dia sarotra ho an’ny ray aman-dreny ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo amin’ny zanany tanora. Misy ny henatra, ny tahotra sao be loatra na kely loatra ny lazaina ka mahatonga tsy fahasahiana hampiditra resaka. Na izany aza nefa dia tena ilaina ny fifampiresahana mikasika izany sy mifanaraka amin’ny taonan’ny tanora mba hanampiana azy ireny hitombo am-pahendrena sy am-pahamendrehana.
Inona no ilaina ny firesahana momba ny firaisana ara-nofo amin’ny tanora ?
Ny fahatanorana dia vanim-potoana feno fiovana, na ara-batana, na ara-pihetseham-po, na ara-piarahamonina. Maro ny fanontaniana apetraky ny tanora momba ny vatany, ny fihetseham-pony ary ny fifandraisany amin’ny hafa. Raha tsy mahazo valiny ao an-trano izy ireo, dia hitady izany any an-kafa — amin’ny namana, amin’ny aterineto, na amin’ny tambajotra sosialy. Tsy voatery ho marina na mety amin’ny toe-javatra rehetra nefa ny valin-teny sy ny « informations » azon’izy ireo avy amin’izany.
Noho izany, ny firesahan’ny ray aman-dreny momba ny firaisana ara-nofo amin’ny zanany tanora dia:
-manome fahalalana marina sy azo itokisana,
-manampy amin’ny fisorohana fitondran-tena mampidi-doza,
-manamafy ny fifampitokisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka,
-manampy ny tanora hanana fomba fijery hendry momba ny firaisana ara-nofo.
Misafidy fotoana sy fomba mety
Tsy voatery miandry fotoana manokana vao miresaka momba ny firaisana ara-nofo amin’ny zanaka mbola tanora. Tsara kokoa aza ny miresaka tsikelikely, amin’ny fomba tsotra sy mifanaraka amin’ny taonany.
Torohevitra vitsivitsy:
Manararaotra ny toe-javatra andavanandro (toy ny sarimihetsika, vaovao, na fanontaniana avy amin’ny zanaka) hanombohana resaka,
Miresaha amin’ny fomba tsotra sy tsy mitsara,
Tsy manao kabary lava na be moraly.
Mihaino aloha vao miteny
Matetika ny ray aman-dreny dia te hanazava zavatra maro avy hatrany, nefa zava-dehibe ny mihaino aloha. Samy manana ny fanontaniany sy ny eritreriny ny tanora, ary mety tsy hitovy amin’ny eritreretin’ny ray aman-dreny izany.
-Azo apetraka ohatra ny fanontaniana toy ny:
-“Inona no hevitrao momba izany?”
-“Miresaka momba izany ve ianareo sy ny namana?”
Izany dia manampy hahafantarana ny zavatra efa fantany sy ny tena mampanahy azy.
Manome fanazavana mazava
Zava-dehibe ny miresaka momba ny lafiny maro amin’ny firaisana ara-nofo:
-ny fiovan’ny vatana (fahamaotiana),
-ny fifandraisana sy ny fanajana,
-ny fanekena (consentement),
-ny fomba fiarovana amin’ny fitondrana vohoka sy ny aretina mifindra.
Teny tsotra sy mazava no ampiasaina. Raha misy fanontaniana tsy hay valiana, dia afaka miaiky izany ary miara-mitady valiny.
Mampita soatoavina nefa tsy manery
Samy manana ny soatoaviny ny fianakaviana tsirairay, na ara-kolontsaina, na ara-pivavahana, na ara-moraly. Zava-dehibe ny mampita izany amin’ny zanaka, nefa koa avela izy hanana fahafahana hanangana ny heviny manokana. Tsy ny hanery no tanjona, fa ny hanampy sy hanoro lalana.
Mamorona tontolo feno fitokisana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka mba hahafahan’ny tanora mametraka fanontaniana amim-pahatoniana. Mba hahatongavana amin’izany dia tsy maneso na manakiana, tsy maneho fihetsika tafahoatra ary hajaina ny tsiambaratelony. Raha mahatsapa fitokisana sy fanajana izy dia ho sahy hanantona ny ray aman-dreniny rehefa misy olana na fanontaniana.
Manaiky fa miova ny resaka rehefa mandeha ny fotoana
Miova arakaraka ny taona sy ny traikefa ny fanontaniana sy ny filàn’ny tanora. Tsy hitovy ny resaka amin’ny zaza 12 taona sy ny tanora 16 taona. Noho izany, ilaina ny mijanona ho misokatra sy vonona hihaino mandrakariva.
Raha fintinina, ny firesahana momba ny firaisana ara-nofo amin’ny tanora dia tsy resaka indray mandeha fotsiny, fa fifanakalozan-kevitra mitohy. Manana anjara toerana lehibe ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ara-pihetseham-po sy ara-nofo ny zanany.




