• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Engelure : fanaintainan’ny hoditra vokatry ny tsy fahazakana hatsiaka

07/06/2023 13:05 © Moov.Mg

Rehefa vaninandro ririnina toy izao dia mivoaka avokoa ireo karazana aretina sy fanaintainana ateraky ny hatsiaka. Anisan’izy ireny ny « engelure ». Ny tanana, ny orona, ny sofina sy ny tongotra no tena tratry izay tsy fahazakana hatsiaka izany. Fa inona tokoa no atao hoe engelure ary ahoana ny atao hisorohana izany ?

Ireo mila fantatra mahakasika ny engelure

Ny engelure dia « réaction inflammatoire » ny hoditra nohon’ny tsy fahazakana hatsiaka. Izany dia miseho amin’ny alalan’ny ratra kely manify ary manaintaina eo amin’ny faritry ny hoditra. Matetika moa dia eo amin’ny rantsan-tanana, ny sofina, ny rantsan-tongotra sy ny faritra ny tarehy tratry ny hatsiaka indrindra no tena ahitana ny engelure.
Ny vehivavy sy ny olona efa nahazo taona mahazana no tratra izany fanaintainana vokatry ny hatsiaka izany. Mazava ho azy fa rehefa vaninandro ririnina no mihetsika ny engelure. Mety mampitombo ny fitrangan’ny engelure amin’ny olona iray ny tsy fahampiana rano sy ny tsy fahampiana vitamines A sy B3.

Ireo fomba fisehon’ny engelure

Amin’ny ankapobeiny dia ny tanana sy ny tongotra no tena hisehoan’ny engelure. Mety ho tratra izany ihany koa nefa ireo faritra tsy be rà mikoriana loatra nefa tratry ny hatsiaka matetika toy ny sofina sy ny orona. Maro ireo fomba fisehon’ny engelure eo amin’ny faritra hipoitrany :
-Lasa mivaramena na mangamangana ny hoditra
-Lasa dontodonto tsy mahatsapa zavatra intsony
-Mavaivay sy volivoly rehefa miverina mikorina tsara ny rà
-Manaintaina sy manindrona mafy
-Mivontovonto, misy poa-drano na marokoroko mivoaka eo amin’ny hoditra

Ahoana no atao ampitoniana izany tsy fahazakana hatsiaka izany ?

Manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny engelure ny fanafanana moramora ny hoditra eo amin’ny faritra tratr’izany. Lomana rano mafana ny lamba iray ary fonosina amin’izany mandritra ny 10minitra eo ho eo ny tanana na ny tongotra marary. Tsy atao mamay loatra ilay lamba.
Tsy azo atao ny mampitanina ilay tanana na tongotra misy engelure eo amin’ny afo. Mila manantona mpitsabo kosa nefa rehefa manaintaina mafy ilay faritra tsy mahazaka hatsiaka na koa lasa misy ratra miforona eo amin’ny hoditra. Raha mihitatra ny engelure tsy voatsabo dia mety ho faty tanteraka ilay tanana na tongotra marary ka tsy maintsy tapahana.
Ireo torohevitra hisorohana ny fihetsehan’ny engelure
Ho an’ireo olona efa tratry ny engelure dia ilaina foana ny manao mafana tsara rehefa ririnina, indrindra rehefa hivoaka ny trano. Asiana fonon-tanana ny tanana ary asiana bà matevina ny tongotra. Ezahana tsy atao tery loatra ny bà satria lasa miena ny fikorinan’ny rà eo amin’ny tongotra ka vao maika lasa mora andairan’ny hatsiaka.
Tsara ihany koa raha orina amin’ny menaka mafana ireo faritra atahorana ho tratry ny engelure. Ny huile de coco, ny huile d’amande douce ary ny menak’omby no anisan’ireo menaka mafana azo ampiasaina. Atao isaky ny hariva alohan’ny atory izany fanorana izany. Rehefa vita izany dia ahetsiketsika kely ny tanana sy ny tongotra hahazo hafanana.
Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fihetsehan’ny engelure ihany koa ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Mety foana na rano tsotra na dite na kafe. Tsy adinoina ihany koa ny mihinana trondro matavy toy ny saumon sy ny sardines ary ny fihinana sakafo be vitamines toy ny karaoty, voatavo, hena mena…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo