• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © La Nouvelle République
Image
Madagasikara

« Délit de fuite » : tandremo fa enjehin’ny lalàna ary mahavoasazy !

07/06/2023 08:46 © Moov.Mg

Na dia voararan’ny lalàna tanteraka aza ny « délit de fuite » dia tsikaritra fa mbola tena betsaka ny manao izany raha ny eto andrenivohitra manokana. Fandikan-dalàna goavana ary mahavoasazy ny fanaovana izany. Tsara noho izany raha ampahafantarina ny be sy ny maro ny atao hoe délit de fuite sy ny sazy miandry ireo olona minia manao izany.

Inona no atao hoe délit de fuite ?

Ny atao hoe délit de fuite dia ny tsy fijanonana iniana atao na fikasana handositra ataon’ny mpamily taorian’ny loza natao. Rehefa avy nanao lozam-pifamoivozana toy ny hoe : nandona olona, nandona fiara, nandona kodiaran-droa na nandona zavatr’olona… dia mila mijanona ny mpamily.
Raha tsy misy ny naratra vokatry ny lozam-pifamoivozana dia miandry mpitandro filaminana hanao ny « constat » hiarahana mijery ny fahasimbana naterak’izany. Raha nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy dia mila miantso mpitandro ny filaminana ary miandry ny fahatongavan’izy ireo. Tsy mahazo mikitika na manova ninonino teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza.
Mety voakasiky ny délit de fuite avokoa na ny mpamily fiarakodia, mpamily kodiaran-droa na ny mpamily fitaovam-pitaterana misy motera rehetra. Mety ho voakasik’izany délit de fuite izany koa ny mpanamory sambo sy ny fitaterana an-dranomasina.

Ny sazy mifanandrify amin’ny délit de fuite eto Madagasikara

Enjehin’ny lalàna sy mahavoasazy tokoa ny tsy fijanonana iniana atao na fikasana handrositra tao aorian’ny lozam-pifamoivozana natao. Matetika ny mpamily manao délit de fuite dia mikendry ny hiala na hitsaoka ny sazy miandry azy noho ny loza na fandikan-dalàna nataony.
Raha ny eto Madagasikara manokana dia ny fampiantoana na fisintonana vonjimaika na tanteraka ny fanomezan-dàlana mamily fiarakodia na tsy fampihetsehana ny fiara no sazy mifanandrify amin’ny délit de fuite.
Misy kosa ny fampiharana ny andininy faha 319320 ny fehezan-dalàna famaizana raha toa ka nitarika fahavoazana mahakasika ny vatan-tena ilay lozam-pifamoivozana nanaovana délit de fuite. Izany dia mikasika ny fandoavana lamandy 500.000 Ar hatramin’ny 2.000.000 Ar sy/na fampidirana am-ponja roa volana hatramin’ny erin-taona.
Mila mitandrina hatrany ny rehetra mampiasa ny làlana misokatra ho amin’ny fifamoivozan’ny be sy ny maro. Raha sendra nanao lozam-pifamoivozana dia entanina ny mpamily hiatrika avy hatrany ny fahadisoana nataony mba tsy hampihitatra ny sazy miandry azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo