• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Autour Du Naturel
Image
Fahasalamana&Sakafo

Maro ireo soa azo avy amin’ny persil

06/06/2023 13:53 © Moov.Mg

Anisan’ny akora iray ankafizintsika tokoa ny persil noho izy manome hanitra ny sakafo. Fantatrao ve fa mitondra soa maro ho an’ny vatana ihany koa izy ireny ? Ndeha ange ho resahina ireo vokatsoa isan-karazany entin’ny persil amin’ny fahasalamana sy ny vatana e !

Manampy amin’ny fanadiovana ny voa (reins) ny persil

Manakarena « antioxydants » toy ny « flavonoïdes », « lutéine » ary « bêta-carotène » ny persil. Manampy betsaka amin’ny fanadiovana ary ny fanomezana hery ny voa miha reraka noho izany ny fihinanana azy. Sasana tsara ny persil iray fehezana ary tetehina madinika. Avy eo arotsaka anaty rano 1 litatra ary ampangotrahina. Avela mangatsiaka ary tatavanina. Rehefa vita izay dia atao anaty tavoahangy madio tsara ary ampirimina ao anaty vata fampangatsiahana. Misotro iray vera isan’andro raha efa somary vizaka ny voa mba hampivoaka ireo loto. Atao in-droa isan-kerinandro kosa raha mbola salama tsara ny voa.

Miaro amin’ny harerahana ny fihinanana persil

Maro ireo vitamines hita ao anatin’ny persil. Anisan’izany ny vitamines A, B, E sy K. Ny vitamine C moa no tena ambony indrindra ny tahany ao amin’ity zavamaniry ity. Mbola mitahiry vitamine C betsaka kokoa noho ny voasary makirana sy ny voasary ny persil. Tsara izany ny mihinana izany mba hahazoana hery sy hiarovana ny vatana amin’ny harerahana, ohatra rehefa alohan’ny hanao fanatanjahantena na hanao zavatra mampiasa herim-batana be. Diovina tsara ny persil iray fehezana ary potehina miaraka amin’ny rano 1 litatra. Afaka ampiana ranom-boasary makirana kely hampitombo ny fiasany sy hanatsara ny tsirony. Misotro iray vera isa-maraina.

Manampy ny olona tsy ampy rà

Mitahiry fer amin’ny tahany ambony ny persil. Ny fer moa dia manampy betsaka amin’ny famokarana ny sela mena ao amin’ny rà. Ny tsara indrindra dia hoanina manta ny persil mba hisitrahana ny fer ao aminy. Noho izany azo atao ny mitsako persil manta voasasa tsara rehefa ilay maraina vao mifoha iny. Mety ihany koa ny misotro « jus de persil » mitapoka rano kely ary tsy asiana siramamy. Manampy indrindra ireo olona manao anémie na tsy ampy rà ny fihinana ny persil.

Manadio ny hodi-tava

Nohon’ny fisian’ny antioxydants betsaka ao aminy dia azo ampiasaina tsara ihany koa ny persil anadiovana ny hodi-tava. Amin’ity indray mitoraka ity kosa tsy hoanina ny persil fa dia ahosotra amin’ny tarehy. Ampangotrahina ny persil iray fehezana mandrapahatonga ny lokony ho mavo. Potehina anaty « mixeur » ny ravina miaraka amin’ny ranony sahabo telo sotro fihinana. Rehefa potika tsara dia mahazo vokatra toy ny « crème ». Ity farany no ahosotra amin’ny tarehy madio sy maina. Endrasana maina tsara vao kobanina amin’ny rano matimaty. Atao in-telo isan-kerinandro. Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana ny crème azo avy amin’ny persil.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo