• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Jacklyne'Ongles - E-Monsite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Faux ongles, tandremo fa mety mitarika fahasimban’ny hoho !

31/05/2023 15:18 © Moov.Mg

Miroborobo ankehitriny ireo toerana fametahana « faux ongles » sy ireo fivarotana ahitany azy ireny ety an-drenivohitra. Maro ny vehivavy voasarik’ity fanaingona ny hoho ity no izy manatsara ny endriky ny tanana. Mety miteraka fahasimban’ny hoho nefa ny fampiasana matetika ny faux ongles. Ndeha nge ho resahina e !

Mitahiry akora simika ny faux ongles sy ny lakaoly fametahana azy

Misy karazany maro ny faux ongles. Ao ireo faux ongles avy amin’ny « résine acrylique » izay apetaka eo amin’ny hoho ary amboarina mifanaraka amin’ny halavana ilaina. Misy ihany koa ireo faux ongles amin’ny « gel ». Ity farany moa dia karazana lakaoly apetaka amin’ny hoho ary saromana « capsule de gel » vao hamainina amin’ny UV.
Ny farany izay fahitantsika sy azo ampiasaina ao an-trano dia ny faux ongles plastika. Apetaka amin’ny hoho amin’ny alalan’ny lakaoly natao ho an’izany. Samy mitahiry na mampiasa akora simika avokoa noho izany ireo karazana faux ongles. Mazava ho azy fa mety mitarika vokadratsy maro samihafa ny fampiasana matetika azy ireny.

Ireo vokadratsin’ny fampiasana faux ongles

Toy ny vokatra rehetra mitahiry akora simika dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana ny faux ongles. Ny fahasalaman’ny hoho moa mazava ho azy no tena voakasik’izany. Lasa mihamalemy sy mihamanify ny hoho rehefa mampiasa faux ongles matetika na koa rehefa ela loatra vao esorina. Mety mitarika hatramin’ny fiongotan’ny hoho izany falemeny izany.
Ny lakaoly, gel sy ny résine amin’ny faux ongles dia mitahiry akora simika mahery vaika izay mety miditra amin’ny hoditra amin’ny alalan’ny hoho. Ny fikikisana ny hoho alohan’ny fametahana ilay faux ongles ihany koa dia mandrisika ny fidiran’ny akora simika amin’ny hoditra ka mitarika allergie na aretina samihafa eo anivon’ny hoho na ny faritra manodidina izany.
Mety miteraka aretin-koditra toy ny mycoses ihany koa ny fampiasana faux ongles. Rehefa ajanona ela loatra eo amin’ny hoho na tsy voakarakara tsara ny faux ongles dia lasa misy poa-drano mipoitra ao ambanin’ny hoho. Ireny poa-drano ireny no mivadika aretin-koditra raha tsy voatsabo malaky.
Anisan’ny lafy ratsin’ny fanaovana faux ongles ihany koa ny fampiasana ny lampe UV ho fanamainana sy fanamafisana ny gel na résine eo amin’ny hoho. Ny fametrahana ny hoho eo ambanin’ny UV na ultraviolets matetika loatra dia mety mitarika fahamaizan’ny hoho na koa mampisy « tumeurs cancéreuses » eo amin’ny faritra manodidina izany.

Ireo fitandremana hisorohana ny vokadratsin’ny fanaovana faux ongles

Maro tokoa ireo vokadratsin’ny fampiasana ny faux ongles ka mila fitandremana tokoa ny fanaovana azy ireny. Ny vehivavy bevohoka sy ny tanora latsaky ny 16 taona dia tsy mahazo mampiasa faux ongles nohon’ny fisian’ireo akora simika mahery vaika amin’ny fanaovana azy ireny. Torak’izany ihany koa ireo olona manana hoho efa manify na malemy satria tsy maintsy kikisana halama tsara vao apetaka ny faux ongles.
Mba hisorohana ny fahasimban’ny hoho dia tsara foana ny manantona ireny toerana matihanina amin’ny fikarakarana hoho ireny rehefa hanao faux ongles. Atokisana kokoa ny fahaiza-manaon’izy ireny sy ny kalitaon’ny « produits » ampiasaina ao aminy. Ny fampiasana lakaoly ratsy kalitao no antony voalohany manimba sy mampiongotra ny hoho nasiana faux ongles.
Tsy tokony avela mijanona mihoatra ny roa herinandro eo amin’ny hoho ny faux ongles. Rehefa avy esorina dia tsara raha avela miaina kely roa herindro ny hoho voajanahary vao mametaka faux ongles vaovao indray.
Tsy azo atao ny mikiky na manongotra irery ny faux ongles fa mety hiongotra hatramin’ny hoho voajanahary. Ny fikikisana azy mafy loatra ihany koa dia mety mampalemy ny hoho ka hampiongotra na hanapaka izany. Ny matihanina ihany no natao hanala ireny faux ongles ireny amin’ny fitaovana natokana amin’izany. Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha mahita tsy fahatomombanana eo amin’ny hoho misy faux ongles na ny hoditra manodidina izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo