• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Le Bien Public
Image
Madagasikara

Fisorohana ny lozam-pamoivozana : ireo fihetsika tandremana rehefa mitondra fiarakodia

12/05/2023 14:55 © Moov.Mg

Mahafaty olona maro isan-taona ny lozam-pifamoivozana, na eto Madagasikara na any ivelany. Tsy fitandremana kely nefa dia efa mampidi-doza. Andeha ho resahana eto ary ireo fihetsika tandremana rehefa mitondra fiarakodia mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivozana.

Mifantoka tsara rehefa mitondra fiara mba ho fisorohana ny lozam-pamoivozana

Mila mifantoka tsara ny maso sy ny saina rehefa mitondra fiara mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivozana. Vao tonga eo amin’ny familiana dia avela avokoa ireo zavatra rehetra mampiasa saina sy mitarika fisainana lalina. Fadiana ihany koa ny mierikerika fa atao mifantoka tsara amin’ny lalana ny maso. Izany dia ahafahana mijanona haingana raha toa ka misy olona miampita tampoka na misy zavatra tsy ampoizina manakana ny lalana. Tandremana tsara ihany koa ny mikitika finday rehefa mitondra fiara satria mampidina ny fifantohana sy ny fitandremana eo am-pamiliana izany. Raha tsy maintsy mandray antso dia aleo atao « haut-parleur » na mampiasa ireny fitaovana afahana mandray antso tsy mila tanana ireny.

Manampy amin’ny fisorohana ny lozam-pamoivozana ny tsy fandehanana mafy loatra

Antony iray mahatonga ny lozam-pampoivozana ny fandehanana mafy loatra rehefa mitondra fiarakodia. Mazava ho azy fa sarotra amin’ny mpamily ny mijanona raha misy olona manapaka lalana tampoka na misy zavatra tsy ampoizina manakana ny fifamoivozana. Izany akory tsy midika hoe handeha mora loatra koa. Mety hanorisory ny hafa sy hanelingelina ny fifamoivozana indray mantsy izany. Ny tsara dia mandeha amin’ny afainganam-pandeha antonony mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivozana sy tsy hanafintohina ireo hafa mpampiasa lalana.

Tsy mitondra fiara raha mahatsapa fa reraka loatra na te hatory

Efa maro ireo mpamily nitarika lozam-pamoivozana noho ny havizanana be loatra na ny tsy fahampian’ny torimaso. Tsy tokony mitondra fiara ny olona iray raha mahatsapa fa reraka loatra na hoe te hatory. Mampihena betsaka ny fifantohana ireo toe-tena roa ireo ka matetika mahatonga ny loza. Raha voatery tsy maintsy hamily fiara amin’ny toerana lavitra dia tsara raha maka fotoana kely atoriana aloha vao mandeha. Ilaina ihany koa ny maka aina kely matetika mba hisorohana ny havizanana eo am-pamiliana fiara. Ho an’ireo handeha alavitra dia mety manampy betsaka amin’ny fisorohana ny lozam-pamoivozana ny mitondra mpamily hafa afaka mifandimby amin’ny familiana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo